Socio-eco

LA CHARITE DE MADAGASCAR: Hitohy ao anatin’ny fotoana tsy voafetra ny fizarana sakafo ho an’ireo traboina


 Ireo mpamaky vato ao amin’ny “carrière” ao amin’ny fokontany Andranomena no nanombohan’ny fikambanana “La Charité Madagascar” ny fizarana sakafo masaka ho an’ireo traboina vokatry ny oramikija tao anatin’ny 10 andro farany teo. Miisa 200 ireo mpiasa nahazo izany ary teny amin’ny foiben’ny fikambanana eny Andranomena ihany no nanolorana izany. Vary sy laoka akoho saosy no nomeny ny fikambanana azy ireo ny 25 janoary 2022. Nanampy ny La Charité de Madagascar tamin’ny fanatanterahana izao hetsika izao ny orinasa avy atsy Maorisy Aaleemee Society. “Niantso avy hatrany ny mpitantana ny orinasa vao nahafantatra fa maro ireo traboina vokatr’iny andro ratsy iny ary nanolotra fanampiana”, hoy i Zouber Assenjee, Filohan’ny fikambanana. Nambarany fa anisan’ireo traboina ihany koa ireto mpamaky vato ireto. Tao no dibon-drano ny tano fonenany sngy tsy nandeha namonjy ireo toerana fandraisana traboina izy ireo. Nisy tamin’izy ireo ihany koa no tsy nijanona tsy niasa ka sahirana amin’ny fividianana sakafo. Mbola hitohy any amin’ny fokontany ahtana traboina ny fizarana sakafo masaka ataon’ny la Charité. Ho atao isan’andro izany ary tsy voefatra ny andro hanaovana ny hetsika.

Ra-Nirina

SARY:


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *