Socio-eco

LA CHARITE DE MADAGASCAR: Nitety ireo tokantrano traboina noho ny andro ratsy


Niantso ny fikambanana “La Charité de Madagascar” avy hatrany ny orinasa Aaleemee Society ao Maorisy vao nahare fa maro ireo traboina vokatry ny andro ratsy sy ny oramikija nitranga teto Madagasikara tao anatin’ny andro maromaro. Noho ny fanampiana avy amin’ity orinasa tarihin’i Saheed Thupsee ity dia nizara vatsy (colis alimentaire) ahitana vary, menaka, fromage amin’ny boaty, paty, labozia ary savony tamn’ireo tokantrano traboina teny amn’ny fokontany Andranomena Amparafara ny “La Charité de Madagascar”. Nitety ireo tokantrano mihitsy ny fikambanana nanatitra ireo fanampiana ireo. Tokantrano 15 no nahazo izany ny 25 janoary 2022. Nisy tamin’ireto mpahazo tombontsoa ireto no dibon-drano ny tranony. Tao ihany koa no rava trano. Araka ny fanazavan’ny Filohan’ny fikambanana, Zouber Assenjee fa mbola hitohy any amin’ny fokontany hafa izao fizarana vatsy ho an’ny traboina izao. “Manana vina  ihany koa ny fikambanana hanome fitaovana toy ny tafon-trano sy ny maro hafa hanampiana ireo traboina rava trano”. Nambaran’i Zouber Assenjee fa efa mpanao asa soa eto Madagasikara ny Aaleemee Society. “Tsy nisalasala ny tompon’ny orinasa nanampy ireo mpiray tanindrazana noho ny voina mahazo azy ireo”, hoy izy. Tsiahivina fa ny 17 janoary 2022 no nanomboka ny oramikija teto Madagasikara, anisany lasibatra tamin’izany ny teto Antananarivo renovohitra sy ny manodidina. Araka ny bileta faha-11 navoakan’ny Birao nasionaly mitantana ny tandidon-doza sy ny loza (BNGRC), ny 26 janoary 2022 tamin’ny 7 ora alina dia 110. 394 ny isan’ireo traboina manerana an’i Madagasikara. Tafakatra 41 ny olona namoy ny ainy. 8.927  ny toeram-ponenana dibon-drano ary 58 ny toeram-ponenana simba. Efa nody any amin’ny toeram-ponenany ny 20.000 tamin’ireo traboina.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *