Sport

LALAON’NY BAREA SY NY ELEFANTA: Mpilalao mila ravinahitra avokoa no mandrafitra ny ekipa-pirenena Malagasy


Manan-danja ity lalaon’ny barea ity. Miditra amin’ny andro fahatelo sy fahaefatra  ny fifaninana ho any amin’ny CAN 2022 amin’iny volana Novambra 2020 iny. Hifandona amin’ny Elefantan’ny Côte d’Ivoire ny Barean’ny Madagasikara. Ny lalao mandroso atao any Côte d’Ivoire  ny 14 Novambra 2020 ary atao any Toamasina kosa ny lalao miverina ny 17 Novambra 2022.  Manan-danja ireo  lalao hihaonan’ny Barea sy ny Elefanta ireo, hoy ny mpanazatran’ny ekipa-pirenena Malagasy, Nicolas Dupuis. Tanjona ny ahazoana isa 4 amin’ireo lalao roa ireo mba hanana fatokisana hiakarana any amin’ny CAN 2022, hoy izy. Manana isa 6 isika amin’izao fotoana izao sady mitarika ao amin’ny vondrona K ahitana an’i Ethiopie laharana faharoa manana isa telo,  Côte d’Ivoire manana isa telo ihany koa izay laharana fahatelo ary farany ny Niger tsy manana isa. Tsy maintsy nitady mpilalao hafa isika satria efa nahazo taona ny mpilalao tamin’ny CAN 2019 farany teo. Tsy naka mpilalao eto an-toerana satria tsy ampy ny lalao nataon’izy ireo noho ny aretina covid-19 ka tsy nisy ny fifaninana nasionaly, hoy hatrany ny mpanazatra. Afapo tamin’ny stage natao tany Luxembourg izy raha ny nambarany. Mafy be ireo lalao  hatrehan’ny Barea ireo hoy hatrany izy.

Nambaran’ny mpanazatra Nicolas Dupuis sy ny kaomity mpanatanteraky ny FMF ny 22 Oktobra 2020 ireo mpilalao mandrafitra ny Barea izay hihaonany amin’ny Elefanta. Miisa 25 mirahalahy izy ireo.

Mpiandry tsatoby :

Adrien Melvin, Mathyas Randriamamy, Nina Razakanirina

Vodilaharana :

Jérémy Morel, Thomas Fontaine, Jérôme Mombris, Sylvio Ouassiero, Pascal Razakanantenaina, Romain Métanire

Eo afovoany :

Rayan Raveloson, Abel Anicet Andrianantenaina, Ibrahim Amada, Marco Ilaimaharitra, Hery Bastien, Zotsara Randriambololona, Dimitry Caloin, Arohasina Andrianarimanana (Dax), Loïc Lapoussin

Mpanafika :

Lalaina Nomenjanahary ( Bolida), Paulin Voavy, Carolus Andriamahitsinoro, Hakim Abdallah, William Gros, Njiva Rakotoharimalala, Alexandre Ramalingom

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *