Socio-eco

CHAINE HO AN’NY TANORA: Toonami, chaîne vaovao ao amin’ny Startimes Madagascar


Be mpijery indrindra. Tsy mitsahatra manome fahafaham-po ho an’ny mpanjifa ny Startimes. « Nanatevin-daharana ireo chaîne ho an’ny tanora i Toonami. Sarobidy ho an’ny Startimes ny ankohonana ka manaporofo izany ny fiarahamiasa  vaovao amin’ny Warner Media”, hoy i Zafera Joyce, tomponandraikitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny daholobe ao amin’ny Startimes Madagasikara. Nambarany fa chaîne an’ny vondrona Warner Media i Toonami ary efa mandefa izany amin’ny teny anglisy ny Startimes eto Afrika. “Fantatra tamin’izany fa mitàna ny laharana voalohany amin’ireo chaîne be mpijery indrindra i Toonami raha fandaharana natokana ho an’ny tanora”, hoy izy. Nohamafisiny fa efa mpiara-miasa akaiky Startimes sy Warner Media raha tsy hilaza afa-tsy ny fandefasana ny Cartoon Network, Boomerang, Boing, WarnerTV, CNN.

Fanatanjahantena

Lalao andrasan’ny mpitia baolina kitra “El Clásico”.  Handefa izany mivantana, amin’ny sary HD, amin’ny teny frantsay ny Sports Premium sy World Football. Tsara mampatsiahy fa nitondra fanatsarana teo amin’ny fanatanjahantena ity televiziona nomerika ity. Miompana bebe kokoa amin’ny fandefasana ny Laliga ny Sports Premium. Tsy adino ihany koa anefa ny fandefasana mivantana ny Coupes d’Angleterre, Italie, Espagne ary ny Ligue des nations UEFA. Tsy tapitra hatreo fa manome toky ny Startimes fa hanome fahafaham-po hatrany an’ ireo mpanaraka ny baolina kitra, isakerinandro mandra-pahatapitrin’ny  Euro 2020 amin’ny volana jona 2021. Manaitra ny sain’ny mpanjifa ihany koa i Zafera Joyce fa nidina ny vidin’ny vata fahitalavitra nomerika. Raha  650 000 Ariary ny 32’’ dia lasa  550 000 Ariary ary azo jifaina amin’ny vidiny 950 000 Ariary kosa ny 43’’  raha toa ka 1 100 000 Ariary izany teo aloha.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *