Socio-eco

FANOMEZAN-DRÀ ANTSITRAPO: Niditra tamin’ny andian’ny faharoa ny ekipan’i Haingo Paradis


Sady mamonjy aina no miteraka fahasalamana. Mpanome rà an-tsitrapo 50 ka hatramin’ny 60 no nandrasana teny amin’ny trano fitehirizan-drà eny amin’ny hopitaly HJRA Anosy  nandritra ny hetsika nokarakarain’ny Groupe Masca Sabotsy Namehana sy ny kaominina Sabotsy Namehana niaraka tamin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, ny 23 oktobra 2020. “Andiany faharoa izy ity fa efa nisy tamin’ny 19 aogositra 2020. Ity ny hetsika faharoa noho fahatsapana amin’ny filàna rà aty amin’ny hopitaly”, hoy i Haingo Paradis, mpikarakara ny hetsika.  Ilaina ny hetsika fanomezan-drà maimaim-poana tahaka izao. Araka ny fanazavan’ny tale lefitra ara-teknika eo anivon’ny trano fitehirizan-drà, Dr Rasamimanana Jean-Marie fa “farafahakeliny tokony hanana kitapon-drà 200 réserve isan’andro  hitsinjovana ny filàn-drà mety ilaina eny anivon’ny hopitaly manodidina”.

Nohamafisin’i Dr Rakotoarivony Manitra, talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana ao amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka fa “ ny fisiana fanomezan-drà tahaka  izao dia zava-dehibe satria misy olona  tsy maintsy mila ilay aina avy amin’izao rà omentsika izao dia iny no ahazoany fahasalamana sy fahavelomana rehefa avy eo”. Ka ny fanentanana dia izao: “aleo manao toy izay hanaovana. Matetika ny olona  rehefa miditra hopitaly vao mihazakazaka mieritreritra hoe tahaka izay aho nanome rà ihany”, hoy izy. Araka ny fanazavany hatrany fa mampitombo fahasalamana no mitondra fahahafam-po ny manome  rà satria iny miteraka fahasalamana ho an’ny mpanome rà. “Ny fahatanoranao mody indray tahaka ny voromahery”. Tsiahivina fa afaka telovolana aorian’ny fanomezan-drà ny lehilahy no afaka manome indray ary afaka efa-bolana ny vehivavy. Mihoatra ny 60 kilao, manana tanjaka ara-dalàna, ny 60 taona no midina no fepetra takiana.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *