Socio-eco

TETIKASA MANONGA: Valin’ny fandalinana momba ny asa fanaovan-gazety nandritra ny telovolana


Tsikaritra tao anatin’ny telovolana fa  niompana tamin’ny fitaterana ny vaovao momba fivoaran’ny covid-19 ny vaovao navoakan’ny gazety an-tsoratra, araka ny fandalinana momba ny asa fanaovan-gazety nataon’ny tetikasa Manonga izay sahanin’ny ONG CID (Communication-Idea-Developpement na Hai-Serasera Manonga Dia). Efa-bolana ny faharetan’ny tetikasa  Manonga ary ny AFD (Agence Française de Développement)  no mpamatsy vola. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny  ONG CID, Razafindrazaka Mirana fa tsy dia nisy loatra ny fandalinana nataon’ny mpanao gazety. Ny ankamaroan’ny gazety hoy izy dia manohana ny fitondrana ka nanampy ny fitondram-panjakana tamin’ny fampahafantarana azy ny famoahana ireny tombana mivoaka isan’andro ireny. Tsikaritra ihany koa hoy izy fa any amin’ny tambazotra serasera sosialy, facebook ireo mpanara-baovao no maneho hevitra ka “rehefa mijery facebook ny olom-pirenena dia mahazo vaovao bebe kokoa kanefa tsy matihanina toy ny mpanao gazety ny mpandefa izany”.

Lohahevitra telo no nanaovan’ny tetikasa fandalinana raha ho an’ny facebook manokana: ny mangarahara sy ny tamberinandraikitra, ny fitantanana ny krizy ara-pahasalamana ary ny tranga mety hitondra na mitondra korontana. Raha antontan’isa nomen’ny filohan’ny ONG CID dia post miisa 500 nivoaka tamin’ny vondrona miisa dimy no nanaovana fandalinana ka ny 28 % tamin’ireo dia tranga mety hitondra na mitondra korontana, ohatra ny resaka fizarana vatsy tsinjo; ny 35 % momba ny fitantanana ny krizy ara-pahasalamana ary ny 10 % momba ny fangatahana fanampiana avy any ivelany. Mandravona ireo vaovao mivoaka amin’ny facebook ireo no ataon’ny tetikasa ary manasokajy ireo vaovao diso (fakenews) sy vaovao marina. Nilaza Razafindrazaka Mirana fa ho fametrahana ny filaminana mandritra izao krizy ara-pahasalamana izao no tanjon’ny tetikasa Manonga. Ao anatin’izany ny fanampiana ny haino vaky jery sy aterneto, ny fiarahamonim-pirenena ary ny mpitantana ara-panjakana.  Ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety ny 30 oktobra 2020 dia fotoana nifampiresahan’ny mpikarakara ny tetikasa  nihainoana ireo matihanina amin’ny asa fanaovan-gazety ny fomba nampiasain’ireo fandalinana natao sy hetahetan’izy ireo manoloana ity tetikasa ity.

Lynda A.


One comment on “TETIKASA MANONGA: Valin’ny fandalinana momba ny asa fanaovan-gazety nandritra ny telovolana

  1. Pingback: TETIKASA MANONGA: Valin’ny fandalinana momba ny asa fanaovan-gazety nandritra ny telovolana - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *