Socio-eco

MISS WORLD MADAGASCAR 2018: Ho hentitra ny fifantenana.


Tanora zazavavy 18 ka hatramin’ny 24 taona miisa 16 hiatrika ny dingana famaranana amin’ny fifaninanana “Miss World Madagascar”. Fantatra amin’ny zoma 15 desambra 2017 eny amin’ny Carlton Anosy ny hisalotra ny Miss World Madagascar 2018.  Handray anjara amin’ny Miss Monde andiany manaraka izay handrombaka ny laharana voalohany.

Fifehezan-tena

Ankoatra ny hatsaran-tarehy sy bika, sivana hitsarana ireo kandida ny fanarahana ny fitsipika napetraky ny mpikarakara. “ Fepetra maro no napetraka  dieny tany am-boalohany.  Ao anatin’izany  ny fahaizan’ny kandida mifehy ny tenany toy ny tsy fivoahana amin’ny alina,  ny tsy fisotroana toaka…”, hoy ny Filohan’ny komity ny Miss Madagascar, Karen  RAKOTONIAINA.

Ny hatsarana sy ny asa soa

Azo atao tsara ny maneho fitiavana amin’ny mpiara-belona amin’ny alalan’ny hatsarana. Novolavolaina hanao asa soa  ireo kandida. Ho an’ny Dauphine 2017, Wendy izay nisolo ny toeran’ny Miss, nahazo ny loka “beauté pour oeuvre sociale” ny tenany nandritra ny fivahiniany tamin’ny Miss Monde teo aloha.

Eo ambany fiahian’ny vadin’ny Filoham-pirenena Malagasy, Voahangy RAJAONARIMAMPIANINA ity hetsika ity.   Mpanohana ny fifaninanana ny  Air Austral. Noho izany, handray an-tanana ny dia ho ataon’ny Miss World Madagascar 2018 ny kompania.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *