Socio-eco

WINDHOEK – NAMIBIA : Atrikasa iraisam-pirenena momba ny fahasembanana


Nisokatra ara-pomba ofisialy ny talata 12 desambira teto Windhoek renivohitr’i Namibia ny atrikasa iraisam-pirenena eo ambany fiahian’ny Firenena-Mikambana: fampiofanana momba ny fampiarana ny fifanarahana iraisam-pirenena mikasika ny zon’ny olona manana fahasembanana. Teratany afrikana miisa 27 avy amina firenena afrikana 11, miampy ireo tompon’andraikitra mpampiofana avy amin’ny Firenena-Mikambana any New York, sy ny UNICEF avy eto Namibia no vonory eto amin’ny SAFARI HOTELS, miatrika izany hatramin’ny zoma 15 desambra 2017.

Botswana, Lesotho, Madagasikara, Mauritius, Mozambique, Rwanda, Somalie, South-Africa, South-Sudan, Swaziland, Namibia. Firenena afrikana miteny angalisy avokoa afa-tsy Madagasikara. Mizotra tanteraka amy teny angalisy ny fampiofanana. Tsy misy fandikan-teny toy ny mahazatra amy fivoriana tantanan’ny Firenena-Mikambana. Miisa efatra ny delegasiona malagasy. Anisan’ireo Atoa sy Rtoa isany Andrianirainy Rasamoely, Kaomiseran’ny CNIDH, Comité National Indépendent pour le Droit de l’Homme; Manana Martial, Filohan’ny PFPH, Plateforme des Fédérations des Personnes Handicapées de Madagascar; Razaka Ralphine Manantenasoa, Tale miahy ny Olona manana fahasembanana sy Zokiolona (Ministeran’ny Mponina sy Fiahiana ara-tSosialy ary Fampivoarana ny Vehivavy).

Ankoatra ny fandraisan’izy efatra mianadahy anjara feno, dia nanana andraikitra lehibe ireo solontena malagasy ireo ny andro faharoa alarobia 13 desambira. Araka ny fifandaminana dia Razaka Ralphine no hampita ny mikasika ny fiahiana ara-pahasalamana ny olona manana fahasembanana any Madagasikara, sy ny andraikitra tandrify izany noraisin’ny Fanjakana malagasy (Ministera samihafa voakasik’izany), araka ny voasoritry ny artikola faha 25 sy 26 ao amin’ny Fifanarahana iraisam-pirenena momban’ny zon’ny olona manana fahasembanana.

Mitarika ny fivoriana ireo tompon’andraikitra ambonin’ny ONU avy any New-York. Tonga nanome voninahitra ny atrikasa iraisam-pirenena ny Parlementera sy Minisitra maro ary solontenan’ny Praiminisitra namibiana. Nandray fitenenana sy nanokatra ny Arikasa ny Depiote-Minisitra namibiana iray manana fahasembanana, afaka mivezivezy irery amy “electric wheelchair” tsy arahana mpiaro sy mpiambina.

             Delire version malagasy                                        Delire Windhoek

Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *