Socio-eco

FTHM: Manaraka ny ISO 9001:2015 ny kalitaon’ny fitantanana.


Mitombo hatrany ny hatsaran’ny kalitaon’ny tolotra omen’ny FTHM Consulting  ny mpanjifa sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy. Nahazo ny fanamarinana « certification » ISO  9001 :2015 ity « cabinet de conseil » ity. « Manamafy  andraikitra  sahaninay ny  fahazoana ny  fanamarinana  ISO 9001:2015. Miha manara-penitra ny kalitaon’ny fitantanana mba hanomezana antoka ny mpanjifa sy ireo mpiara-miombona antoka »,  hoy i Thierry RAJAONA, avy ao amin’ny FTHM, nandritra ny valan-dresaka natao tamin’ny mpanao gazety, ny 11 desambra 2017.

Tombony ho any FTHM ny fahazoana « certification » satria manaraka ny fenitry iraisam-pirenena. Mihazona hatrany  kalitaon’ny raharaha sahanina. Dingana hirosoana eo amin’ny  asa  matihanina  ihany koa ny fahazoana ny ISO 9001:2015.

Ankoatra ny fizarana fanamarinana  an’ireo orinasa miara-miasa amin’ny FTHM toy ny « cabinet d’expertise comptable Qualex », « cabinet spécialisé en Ressources Humaines Equation », nofaranana tamin’ny fizarana ny « certification SGS »  ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety.

Fanamby ho an’ny FTHM ny ho lasa orinasa fitaratra  eto Afrika.

Nirina R.

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *