Archives mensuelles octobre 2017


Funérailles du Pr Zafy : Inhumation avec tous les honneurs…


Samedi dernier, ont eu lieu dans la commune de Betsiaka, à une vingtaine de kilomètres d’Ambilobe, les funérailles de l’ancien Président de la République, non moins Professeur titulaire en Chirurgie cardio-thoracique, Albert Zafy, décédé à l’âge de 95 ans.  Madagascar vient de perdre un « olomanga », un digne fils de la nation, n’ont eu de cesse de le qualifier ceux qui ont pris la parole depuis sa mort la semaine dernière jusqu’à son enterrement ce samedi dernier dans son village natal.

Continuer la lecture


Ny politika dia politika : Ny fahoriana kosa iombonana


Maty tsy hiverina intsony ny Profesora Zafy Albert…Lasa any Rome-Italie  hikaroka ny mahasoa kokoa ny firenena ny Prezidà Rajaonarimampianina…Nakatona ny ozinina AAA-Tiko an-dRavalomanana fa misy ny fifandroritana amin’ny fanjakana… Lany ho filoha mpitarika ilay antsoina hoe : rafitra hanao ny fampihavanam-pirenena i Maka Alphonse…Nahazo talé Jeneraly vaovao ilay kaompania « menavody » an’ny fanjakana…

Continuer la lecture


MADAGASCAR FASHION WEEK: Fitadiavana lalam-barotra ho an’ny mpamorona lamaody Malagasy.


Efa kely sisa ny toerana ho an’ireo te handray anjara amin’ny fampisehoana ny vokatry ny  asa tanany eo amin’ny sehatry ny lamaody. Ny 09 oktobra 2017 no hifarana ny fisoratana anarana amin’ny “Madagascar Fashion Week Océan Indien” izay ho tontosaina any amin’ny Nosy Sainte-Marie, ny 28 ka hatramin’ny 30 desambra 2017 ho avy izao. Continuer la lecture


FY VARY : Hampivoatra ny teknika fambolem-bary eto Madagasikara.


Nosokafana sy nampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy omaly 05 Oktobra 2017 tetsy Antaninarenina ny tetikasa FY VARY « FertilitY sensing and Variety Amelioration for Rice Yield ». Hampivoatra ny teknika fambolem-bary manaraka ny toe-tany arakaraka ireo faritra eto Madagasikara no tanjona.

Faritra mpamokatra vary.

Faritra Vakinankaratra, Analamanga ary Alaotra-Mangoro no anaovana ity tetikasa FY VARY ity. Manomboka amin’ity taona 2017 ka hatramin’ny 2022 ny faharetany. Mitentina 12,7 lavitrisa Ariary ny vola ampiasaina ao anatin’ny izany dimy taona izany. Mifantoka amin’ny fampivoarana ara-teknika fambolem-bary, fampivoarana sy manatsara ny nofon-tany mba hanatsarana ny vokatra vary, fampivoarana ara-teknika ireo masom-boly mifanaraka amin’ny toe-tany anaovana ny tetikasa ary farany, fijerena sy fanaovana tombana ny vokatry ny tetikasa amin’ireo tantsaha.

Fanjakana Malagasy sy Japon.

Tetikasa iarahan’ny fanjakana Malagasy sy ny firenena Japoney ny FY VARY amin’ny fampandrosoana eo amin’ny sehatry ny fambolena. Fanamafisana sy fizarana fahaiza-manao eo amin’ireo mpianatra mpikaroka amin’ny firenena roa tonta ihany koa ny tetikasa. Noho izany, ny Ministera eo amin’ny fiadidian’ny Repoblika misahana ny Fambolena sy ny Fiompiana ( MPAE ), sy Japan International Research Institute for Agricultural Sciences ( JIRCAS ) no mandrindra ny tetikasa. Hiaraha-miasa amin’ny Office National de Nutrition ( ONN ), ny Centre National de la Recherche Appliquée au Développement Rural ( FOFIFA ), ny Laboratoire des Radioisotopes de l’Université d’Antananarivo ( LRI ), ny l’Université de Tokyo ary ny Université d’Yamanashi Eiwa.
Nirina R.

HORONAN-TSARY