Socio-eco

GUY LAURENT : “Fernand Cello no tena mpanakorontana”.


Anterivava: Guy Laurent RAMANAKAMONJY

“Tsy ara-dalana ny onjam-peo Jupiter any Ilakaka”, hoy i Guy Laurent RAMANAKAMONJY, Sekretera jeneralin’ny (SG) Ministeran’ny Serasera. Izany no nahatonga ny fanakatonana azy. Rehefa nisy ny zava-nitranga izay vao nahafantatra ny fisian’ny radio ve izany ny Ministera? Nanamafy ihany koa ny SG fa fanakorontanana fotsiny no nataon’i Fernand Cello. “Hainy ny mambotry ny saim-bahoaka ao anaty tambajotra sosialy”. Nambarany fa ity namana mpanao gezety ity mihitsy no tena manakorontana any Ilakaka. Efa nanarina ihany izy fa tsy nety niova ka izao niafara tamin’ny fampisamborana azy izao. Mbola hifampitadiavana azy ny mpitandro filaminana satria nitsaoka izy.
Araka ny fanazavana hatrany, fitoriana niampangana azy izao ny fanapotehana fiara an’olon-tsotra sy fanakorontanana isan-karazany.
Nirina R.

HORONAN-TSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *