Socio-eco

VISION MADAGASCAR: Mitohy indray ny asa sosialy amin’izao fety izao.


Isaky ny vanim-potoana ny fetin’ny noely sy ny farany taona, mandray anjara amin’ny asa sosialy ihany koa ireo orinasa na kely na lehibe. Nahazo ny anjara tandrifiny avy any amin’ny orinasa VIMA ny mpiasan’ny kaominina an’Antananarivo Renivohitra (CUA). Sady fanomezana fahafaham-po ho an’ny mpiasa sy ny zanany no fitohizan’ny fiarahamiasa ny VIMA (Vision Madagascar) amin’ny CUA efa hatry ny ela izao hetsika izao. Vary, tsakotsako…no nalahatra teo akaikin’ny hazo noely izay ny orinasa hatrany no nanome ity farany. “Fomba fanao any amin’ny firenen-kafa ny fanomezana hazo krismasy ho an’ny tanan-dehibe tahaka an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra”.
“Tolon-tanana efa fanaon’ ny VIMA izao”, hoy ny Tale Kabinetra ny CUA, Jean Claude RABARIJAONA. Nambarany fa tsy hijanona hatreto ny fiarahamiasan’ny roa tonta fa mbola hitohy hatrany amin’ny fanamboarana ireo lalan-kely izany.

Anterivava: Jean Claude RABARIJAONA

Tafiditra ao anatin’ny asa sosialin’ny orinasa avokoa izany rehetra izany.
Nirina R.

HORONAN-TSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *