Socio-eco

DFP: Ovaina indray ny governemanta hahazoana ilay 10 miliara dolara?


Fomba fiasan’ny vondrona eropeanina voafaritry ny accord de Cotonou hifamatorany amin’ny ACP ny fanaovana “dialogue politique”. Vokatry ny saisine nataon’ny, nanatanteraka izany tamin’ny governemanta Malagasy ity vondrona ity.Nanaiky ny fitondram-panjakana fa hanaraka ny fepetra rehetra ao anatin’ny fifanarahana iraisam-pirenena na ny accord de cotonou na ny fenitra takian’ny mpamatsy vola.

Anterivava: Doudou

“Raha tiana ho azo ireny famatsiam-bola tamin’ny Conférence des Bailleurs et Investisseurs ireny dia tokony ho tanterahin’ny fanjakana izany”, hoy i Doudou. Anisan’izany ny fanajana ny zon’olombelona, ny fanjakana demokratika, ny tany tan-dalana ary ny fitantana ny raharaham-bahoaka. Nambarany fa ny firosoana amin’ny fananganana tetikasa entina hanorenana sy hanarenana ny firenena Malagasy no tokony himasoana izao fa tsy fanovana governemanta.
“Efa manana programa mifanaraka amin’izany sy manaraka ny accord de Cotonou ny DFP”. Vonona hitondra izany ao anatina dinika, miaraka amin’ny fanjakana ity farany mba handresena ny mpamatsy vola ary hahazoana famatsiam-bola haingana ho fampandrosoana an’i Madagasikara.
Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *