Socio-eco

VISION MADAGASCAR: Nampiofanin’ny sampandraharahan’ny mpamonjy hain-trano ireo mpiasa.


Anisany niharan’ny fahamaizana goavana ny tranombarotra lehibe teny Antanimena an’ny orinasa Vision Madagascar (Vima) nandritra ny 26 janoary 2009. Toerana 5.000 m²  teo no lasibatra tamin’izany. Rehefa sedra loza tahaka izany ary hialana amin’ny fihitaran’ny afo, tokony handray anjara ny mpiara-belona fa tsy mitazam-potsiny. Ho an’ny orinasa VIMA, nomena fiofanana mihitsy ny mpiasa rehetra ao amin’ny VIMA sy ireo mpanofa trano ao  Explorer Business Park  mba hahay hahay hifehy ny afo raha sanatria misy izany ary hanampy ny  hafa ihany koa  raha sendra iharan’ny  fahamaizana.

 Ny fikambanana PHENIX no nampiofana azy ireo ka ny fampiasana  ny « extincteur » sy ny fomba  fanaovana « évacuation » no nianarana tamin’izany.

Teny amin’ny Explorer Business Park Ankorondrano no nanatanterahana ny fiofanana. Nampiasaina mihitsy ny fitaovana tao amin’ny “immeuble”  ho fampiharana ny lesona.

Entina hisorohana ny afo tsy hiitatra  sy antoka ho an’ny  manodidina no tanjona eto.  Eo ihany koa ny fahaizana mandray andraikitra raha tojo trano may. Nanamafy ny Filoha Tale Jeneralin’ny VIMA, Zouzar Bouka fa hitera-doza ny fitazanam-potsiny  rehefa misy trano may ka tsy mandray anjara ny manodidina. Tokony hahay ny fomba  hifehezana ny afo ihany koa ny mpiara-belona. Noho izany, ny fampianarana azy ireo no tokony atao laharam-pamehana mba ahafahan’izy ireo manampy ny mpamonjy voina ihany koa.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *