Socio-eco

STARTIMES: Hanakaiky kokoa ny mpankafy baolina kitra mandritra ny volana jona sy jolay 2026


Mitohy ny ezaka ataon’ny StarTimes amin’ny fanamorana ny fahafahan’ny isan-tokantrano malagasy miala voly sy mankafy fanatanjahantena mandritra ny volana jona sy jolay 2026. Nambaran’ny orinasa fa manomboka ny 1 jona ka hatramin’ny 31 jolay 2026 dia hisy tolotra manokana ahafahan’ny mpanjifa manaraka ireo fandaharana ankafiziny amin’ny vidiny mirary. Anisan’ireo fandaharana azo arahina amin’izany ny lalao ara-panatanjahantena eto an-toerana sy iraisam-pirenena, ary koa ireo tantara mitohy sy horonantsary vahiny voadika amin’ny teny malagasy.

Ho an’ireo mampiasa ny teknolojia DTT na TNT, ireo mpanjifa misoratra amin’ny bouquet NOVA (14.000 Ar) na BASIC (18.000 Ar) dia afaka misitraka ny bouquet ambony kokoa, dia ny CLASSIC, mandritra ny iray volana amin’ny alalan’ny fanampiana 10.000 Ariary monja. Ho an’ireo mpampiasa ny bouquet CLASSIC sy SUPER kosa, izay manao famandrihana mandritra ny roa volana, dia hahazo 10 andro fanampiny maimaimpoana.

« Natao ity tolotra ity mba hahafahan’ny mpikambana rehetra ao an-tokantrano mankafy ireo lalao baolina kitra iraisam-pirenena, manaraka mivantana ny fanatanjahantena eto an-toerana toy ny PFL, ary mijery ireo tantara mitohy voadika amin’ny teny malagasy, toy ny Gangs of Manila », hoy ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny StarTimes Madagasikara.

Fandaharana vaovao sy fizarana loka

Hanomboka ny 11 jona ka hatramin’ny 19 jolay 2026, handefa fandaharana vaovao mitondra ny lohateny hoe G-Sport ny chaîne GASYSTAR. Fandaharana natokana ho an’ny vaovao sy ny famakafakana ny tontolon’ny fanatanjahantena izy io.

Ao anatin’ity fandaharana ity no handinihana ireo vokatra sy hetsika ara-panatanjahantena eto an-toerana sy iraisam-pirenena. Hisongadina manokana ao ny fifaninanana iraisam-pirenena amin’ny taranja baolina kitra, miaraka amin’ny fandaharam-potoanan’ny lalao, ny famakafakana ny ekipam-pirenena sy ny mpilalao, ny tombana mialoha ny fihaonana ary ny fanadihadiana ny vokatra aorian’ny lalao. Handray anjara amin’izany ny vahiny isan-karazany, toy ny mpanao gazety ara-panatanjahantena, mpilalao, mpanazatra ary mpankafy baolina kitra. Handeha isan’andro, ny alatsinainy ka hatramin’ny sabotsy, manomboka amin’ny 6 ora ka hatramin’ny 6 ora sy sasany hariva ny fandaharana.

Ankoatra ny fandefasana ny lalao sy ny fandaharana amin’ny fahitalavitra, hanatanteraka hetsika sy fifaninanana amin’ny tambajotra sosialy ihany koa ny StarTimes. Hisy loka maro hozaraina amin’izany, ary moto iray no loka lehibe ho azon’ny mpandresy.

Ra-nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *