Socio-eco

TRANO MANARA-PENITRA : Hisitraka tanana vaovao ny kaominina Bongatsara sy Anosy Avaratra


Toko telo mahamasa-nahandro. Manohana sy manampy ho an’ireo izay manana tetikasa fanorenana tanàna vaovao ny fanjakana. Nisy ny fanaovan-tsonia teny Anosy ny 25 Martsa 2021 teo amin’ny Ministera lefitra misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana , ny Société Générale Madagascar ary ny kaomina ambanivohitry Bongatsara sy Anosy Avaratra ho fanorenana tanàna vaovao . Tafiditra amin’ny veliranon’ny Prezidà Andry Rajoelina raha teo ity tetikasa ity. Manome tohana sy manamora ny fanatanterahana ny tetikasa  ary  mitady ny mpiara-miasa no andraikitra raisin’ny Ministera fa ny kaominina kosa no mitady ireo toerana hanaovana ireo trano, hoy ny ministra lefitra misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, Michaelangelo ZASY . Ny banky Société Générale Madagascar no hamatsy vola amin’ity tetikasa fanorenana trano sy tànana vaovao ity.

« Raha ho an’ny kaominin’ny bongatsara dia efa misy toerana roa no hanorenana ity tanàna vaovao ity. Ny iray no efa fantatra ny velarany tany izay mirefy 24 hektara. Tanim-panjakana no ampiasaina amin’ity tetikasa ity », hoy ny ben’ny tanànan’i Bongatsara, Hanta RABEARISOA. Ny mponina maniry ny hahazo trano fonenana madio sy sahaza eny amin’ny kaominina no omena voalohany ary manaraka avy eo ireo mpiasam-panjakana. Misy dingana tsy maintsy arahina anefa raha hanao fotodrafitra tahaka izao hoy izy. Tsy maintsy entina eo amin’ny filan-kevitry ny kaominina ny toerana hanaovana ny tetikasa. Entina any amin’ny ministera izany avy eo ary farany eny amin’ny fananantany (domaine).

Vonona amin’ny famatsiana ara-bola ny banky Société Générale Madagascar ary amin’ny taha ambany ny zana-bola ho an’ireo maniry hahazo trano eny amin’ireo kaominina roa ireo hoy ny tale jeneraliny, Zdenek METELAK. Tsy voafaritra ny tetibola ampiasaina amin’ity tetikasa ity fa arakaraka ny habetsahan’ireo fianakaviana maniry ny hisitraka ny trano.

Marihana fa ny fanaovan-tsonia ity dia nataon’ ny ministra lefitra misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, Michaelangelo ZASY , ny tale jeneralin’ny Société Générale Madagascar, Zdenek METELAK ary ny ben’ny tanànan’ny Bongatsara, Hanta RABEARISOA sy ny ben’ny tanànan’ny Anosy Avaratra, Luc RAZAFIMAHEFA.

Ra-Nirina

PHOTO :


One comment on “TRANO MANARA-PENITRA : Hisitraka tanana vaovao ny kaominina Bongatsara sy Anosy Avaratra

  1. Pingback: TRANO MANARA-PENITRA : Hisitraka tanana vaovao ny kaominina Bongatsara sy Anosy Avaratra - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *