Catégorie Socio-eco



ORANGE SOLIDARITE MADAGASCAR : Mitohy ny fananganana « village orange »


« Village orange » faha 27 ny eny amin’ny kaominin’ambanivohitry i Masindray. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny 11 jona 2021 ireo fotodrafitr’asa mandrafitra ity « Village orange » eny Masindray ity. Vita tamin’izany ny fanavaozana ny sekoly fanabeazana fototra (EPP), ny fanamboarana tambohon’ny sekoly, « chalet » hialokalofan’ny mpianatra, nametrahana zaridaina, nasiana fitoeran-drano sy  toerana fanasana tanana ary paompy fatsakana. Ao anatin’ny « Village orange »  ny fanampiana ataon’ny orange solidarité ho fampitaovana ireo toerana mikarakara ny reny sy zaza. Noho izany dia nasiana herinaratra azo avy amin’ny masoandro ny toera-pitsaboana Centre de Santé de Base de niveau 1 (CSB I) ary ny Centre de Santé de Base de niveau 2 (CSB II) kosa dia nofenoina fitaovana isan-karazany.

Hevitra avy amin’ny ONG Taratra no nahafahana nanao izao asa izao fa ny orange solidarité Madagascar no nanantanteraka ny asa ho fanampiana ny mpiara-belona sy ny vehivavy. Tsy adino noho izany ny ONG Taratra fa nananganana trano nomerika ho an’ny vehivavy izay any Anjozorobe.

Marihana fa tonga nanolotra izao zava-bita izao ny filohan’ny orange solidarité Madagascar, Josie Randriambeloma, ny ben’ny tanàn’i Masindray, Stela Marius Andrianomenjanahary, filohan’ny ONG Taratra, ny solotenan’ny ministeran’ny fahasalamana sy ny fanabeazam- pirenena ary ireo tomponandraikitra isan-karazany eny an-toerana.

Ra-Nirina


MARO NY ENTANA AZO HATAO FANOMEZANA HO AN’ I NENY


Ao anatin’ny fanomanana ny fankakalazana ny fetin’ny reny tsy ho ela, dia maro ny zavatra azo hatao fanomezana eny amin ‘ ireny magazay lehibe eto amintsika ireny.

Toy ny hita ao amin’ny Tranombarotra Baolai etsy Soarano, Analakely ary ao Bazar be Toamasina, izay vao naha tonga entana « première qualité » .

Ao ny laser tv 100  » – Smart tv sy télé led, misy manomboka 22 hatramin ‘ ny 85  » ( misy antoka herintaona daholo), réfrigérateur, finday, synthétiseur, subwoofer, cuisinière à gaz sy eléctrique, fer à lisser ( volo ), machine à laver, climatiseur, … Continuer la lecture


VADINTANY SY MPANAO LAVANTY ETO MADAGASIKARA : Manohitra ny fihetsika rehetra fanohitohinana eo am-panatanterahana ny asany


Firenena tan-dàlana i Madagasikara. Manoloana ny herisetra nahazo an’i Maître RAZAFINDRAHASY Jonah Olivia teo am-panatanterahana ny asany dia nanameloka an’izany ny fikambanan’ny vadintany sy mpanao lavanty eto Madagasikara (Huissier de Justice et commissaires-Priseur de Madagascar) ny 17 May 2021 teny Ambohimanarina. Continuer la lecture