Socio-eco

TETIKASA AFAFI-Nord-AF : Omena lanja ny seha-pihariana eo an-toerana mba hiarovana ireo ala voajanahary


Distrikan’ Ambilobe no toerana be mponina indrindra amin’ny faritry Diana. Fampivoarana ny fihariana amin’ny seham-piarihana enina lehibe ny tetikasa AFAFI-Nord-AF aty  Ambilobe dia ny Mahabibo, ny dipoavatra mena, ny tantely, ny anana moringa (anan’ambo) ary ny famokarana saribao maintso. Ity tetikasa ity dia vatsian’ny vondrona eropeanina (UE) sy ny Ministera federalin’ny Alemana momba ny Fiarahamiasa ara-toekerena sy Fampandrosoana (BMZ) ao anatin’ny fandaharan’asan’ny PAGE2/GIZ . Nitondra fanatsarana ny farimpiainan’ireo nahazo tombotsoa ny tetikasa AFAFI-Nord-AF satria nampivelatra ny fidirambolan’ny tokatrano. Porofon’izany mbola hangatahan’ny mpahazo tombotsoa hatrany ny hitohizan’ny tetikasa amin’ny fanohanana azy ireo. Ireo seham-pihariana ireo dia tohanana manomboka amin’ny famokarana, ny fanodinana, ny famarotana azy eto an-toerana na any ivelany. Ny tanjona dia hanatsara ny farim-piainan’ireo olona mipetraka ao amin’ny ala arovana mba hanana farim-piainana tsaratsara kokoa ary miaro ireo seham-pihariana ireo satria rehefa voaaro ireo dia voaaro ny ala voajanahary izay misy ny faritra.

Tsenan’ny mahabibo

AMBILOBE - MahabiboMpamokatra mahabibo ny distrikan’i Ambilobe, faritry Diana. 11.000 hektara ny velaran-tany misy ireo mahabibo ireo. 90%  ny vokatra dia avy aty distrikan’Ambilombe avokoa. Tanjon’ny tetikasa ny hanondranana mahabibo 4.000 taona ka hatramin’ny 5.000 taona isan-taona raha 1.440 fotsiny ankehitriny.  Miisa 32.000 fototra ireo mahabibo. Mbola malalaka ny tsenan’ny mahabibo eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Mila politika mazava kosa anefa raha tiana ny ho lohalaharana amin’ny fanondranana ity vokatra iray mampalaza ny faritry Diana ity.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *