Socio-eco

ORANGE SUMMER CHALLENGE 2022: Ny tetikasa IOPI, mamokatra herinaratra avy amin’ny amany no nandrombaka ny loka voalohany


Fantatra ny zoma  21 oktobra 2022 teny amin’ny Orange Digital Center Ankorondrano ny tetikasa nahazo ny loka voalohany amin’ny #Orange Summer Challenge 2022. Ny tetikasa #IOPI (Input Output for a Proper Impact) no nandrombaka izany tamin’ny alalan’ny fifidianana nataon’ireo mpanatrika avy eny amin’ny sehatrin’ny fampianarana ambony, fandraharahana ary solontena avy amin’ny fitondram-panjakana. Miompana amin’ny famokarana herinaratra avy amin’ny #amany  ity tetikasa  ity. Mpianatra avy amin’ny sehatra marolafy miisa 6 no namolavola izany rehefa nahazo fiofanana nandritra telovolana tao amin’ny Orange Digital Center. Lelavola mitentina 43 tapitrisa Ariary, miampy box sy internet tsy manam-petra mandritra ny heritaona ary tablette avy amin’ny Huawei ny loka azon’izy ireo. Anisany nosafidian’ny Google ho tetikasa mendrika indrindra tamin’ireo tetikasa 40 nifaninana manerana ireo firenena afrikanina miisa 9 nanatanterahana ny fifaninanana ihany koa ny tetikasa #IOPI ka nahazo vola mitentina 2000 Euros. ORANGE SUMMER CHALLENGE 2022 4Nandrombaka ny loka “Coup de Coeur” avy amin’ny EY (ex-Ernst & Young), mpiara-miasa amin’ny Orange Summer Challenge ny #PLANT’ÉCO, tetikasa miompana amin’ny fanamboarana “serre” manaraka ny teknolojia ary mety amin’ny karazana  voly sy  manampy amin’ny famokarana sakafo mifanaraka amin’ny filàn’ny Malagasy sy ny tantsaha any amin’ny toerana lavitra andriana.  Vola mitentina 1000 Euros no azon’ny ekipa namolavola ny tetikasa. Tetikasa 4 no nifaninana tamin’ny Orange Summer Challenge andiany voalohany. #VATA, tetikasa mifototra amin’ny fanamboarana vata, tsy mila herinaratra sy manja tontolo iainana, hitehirizana vokatra toy ny legioma tsy ho mora simba sy #BGSmart, fitaovana mamokatra  angovo #biogaz handrahoana sakafo, mampihena ny famokarana entona mangeja hafanana sy iadina amin’ny fandripahana ala  ny tetikasa roa ambiny nifaninanana tamin’ny Orange Summer Challenge andiany voalohany natao teto Madagasikara. Ny Orange Digital Center no nikarakara ny fifaninanana teto Madagasikara ary vao voalohany no nisy izany teto amintsika. Nanome fiofanana mandritra ny telovolana momba ny fikirakirana ny teknolojia ahafahana mamolavola tetikasa mifanaraka amin’ny filàn’ny mponina misy fiantrakany amin’ny lafiny sosialy sy toekarena ny Orange Digital Center. Miisa 23 ireo mpianatra voasafidy hisitraka izany. Avy amin’ny oniversite eto Antananarivo misandrahaka amin’ny lalam-piofanana  marolafy  toy ny « développement web et mobile, UX/UI design, ingénieur électronique, design industriel, intelligence artificielle, communication, marketing, finance… izy ireo. Nozaraina ekipa 4 izy ireo ary niara-namolavola tetikasa ny tsirairay.  Na dia tapitra aza ny fandaharanasa tamin’ity taona ity dia tsy mijanona hatreo ny dian’izy ireo fa mitohy hatrany satria misy amin’ireo orinasa nanohana azy ireo nandritra ny famolavolana ny tetikasa no nampanantena fiaharamiasa.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *