Catégorie Socio-eco



TURQUIE: AHOANA NY ANY ?


Merhaba! Izany no voambolana renesinao raha miarahaba anao ny Turc (MERHABA = MIARAHABA). Hitsidika sy hamangy ity firenena isan’ireo madinika any Eoropa kanefa isan’ireo ngezalahy ara-tantara isika. Raha vao Turquie no resaka dia tsaroana avy hatrany i Mustafa Pacha Kemal Atatûrk “rain’ny Turcs” tamin’ny ady lehibe voalohany sy taorian’izany.

Sivilizasiona lehibe maro nifandimby.

Turquie na République Turque dia firenena misabaka eo amin’ny Kontinanta eoropeana sy aziatika. Ara-politika sy fitondrana ary toe-karena dia anisan’ny firenena eoropeana izy. Ara-jeografia kosa dia efa tafiditra amin’ny faritr’i Proche-Orient izy, ary iny misy azy iny ilay Azia minora lalam-barotra nivezivezen’ny mpandraharaha sy ny Apostoly. Raha avelantsika ny fahagolantany ka tsy hiresaka afa-tsy ny nanomboka taloha kelin’ny andron’i Jesosy isika dia nisy sivilizasiona matanjaka nisesisesy tao Turquie. Izany moa dia nentin’ny fihanaky ny Fanjakana Romana. Ny fihitaran’ny Fanjakana Romana niantsinanana iny indrindra no nantsoina hoe “Empire Romain d’Orient” izay niteraka ny “Empire Byzantin”, Byzance no renivohitra. Io Byzance io no niova ho Constantinople rehefa rava ny Empire Byzantin ka notsindrian’ny Empire Ottoman, ary lasa Istanbul kosa Constantinople taty aoriana ary mbola izany hatramin’izao Turquie moderne izao. Continuer la lecture