Socio-eco

COMESA MEDIA AWARDS 2022: Mpanao gazety avy eto Madagasikara ny iray tamin’ireo 4 mianadahy nahazo loka


Nandritra ny fihaonana an-tampon’ny COMESA andiany faha-22, ny 8 jona 2023 tany Lusaka (Zambie) no nanolorana ny lokan’ireo mpanao gazety mendrika indrindra tamin’ny fifaninanana COMESA MEDIA AWARD 2022. Ny mpanao gazety Rakotomiarintsoa Nirina Lalao Claude, avy eto Madagasikara no nahazo amboara ho an’ny sokajy gazety an-tsoratra, Carolyn Jemutai Tomno, mpanao gazety ao Kenya ny sokajy televiziona, Hany ouad Morcos Girgis, mpanao gazety ao Egypte ny sokajy onjampeo ary  Gerarld Tenywa avy ao Ouganda ny sokajy gazety mandeha amin’ny tranokala. Fanampiana ara-bola sy mari-pankasitrahana ny loka azon’izy ireo. Anisan’ireo nanalotra ny loka i Hakainde Hichilema Filohan’i Zambie sady Filohan’ny COMESA am-perinasa.  « Sambany no nisy Malagasy nandrombaka ny loka ho an’ny COMESA MEDIA AWARDS», hoy ny Sekretera Jeneralin’ny COMESA CHILESHE KAPWEPWE. Isan-taona ny COMESA no mikararkara ity fifaninanana ho an’ny mpanao gazety ity ho fampahafantarana ny tetikasa ataony manerana ireo firenena mpikambana.

 Miompana amin’ny fampandrosoana ara-toekarena, ao anatiny ny varotra, ny fitaterana, ny angovo, ny famatsiam-bola, ny maha lahy sy ny maha vavy, fambolena… ny lohahevitra notakiana tamin’ireo mpifaninana. Fiarovana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fampidirana ny “agroécologie” na fambolena maharitra any an-tsekoly eto Madagasikara ny lohahevitra noresahan’i Rakotomiarintsoa Nirina Lalao Claude, mpanao gazety sady paka sary eto amin’ny www.deliremadagascar.com.

Délire Madagascar


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *