Catégorie Socio-eco



FITRANDRAHANA AO SOAMAHAMANINA: Tsy ao anatin’ireo mitokona ireo mampanofa ny tany.


HORONAN-TSARY

Fanadiadihana

Efa tsy eny an-toerana intsony ireo sinoa saika hitrandraka volamena ao Soamahamanina. Fitaovana vitsivitsy sisa no hita eny fa saika nampiakarana eto Antananarivo avokoa. Nitondra fikorontanana ho an’ny mponina ny Soamahamanina mihitsy ny fitrandrahana volamena saika ataon’ny orinasa sinoa JIUXING MINES. Araka ny fanazavan’ny tomponandrikitry ny serasera, Stella ANDRIAMAMONJY, miankina amin’ny fanapahan-kevitry ny fitondrana ihany ny fitohizan’ny tetikasan’ireo sinoa. Hatreto aloha dia mbola manan-kery ny fahazoan-dalana azon’izy ireo. Manan-kery mandritra ny 40 taona izany. Naato izany ny fitrandrahana. Raha nidina teny an-toerana izahay, tany sy tanimboly an’olon-tsotra maromaro ny tafiditra ao anatin’ny toeram-pitrandrahana. Mirefy 10 ha eo no efa vita fifanarahana tamin’ny tompon-tany. Havaozina isan-taona ny fifanarahan’ ny roa tonta. Naneho ny heviny ny raim-pianakaviana iray anisany mampanofa ny tany amin’ny sinoa fa mahazo tombony kokoa ny tenany amin’ny fampanofana ny tany. Voly mangahazo mantsy no voleny. “Manodidina ny 300.000 Ariary isam-bolana eo no hofan’izany”. Ankoatra azy, nanamafy ihany koa i Martin RASOLOMANANA fa tsy anisan’ireo mitokona isaky ny alakamisy ireo tompon-tany. Nambarany fa ireo mpitokona ireo mihitsy no tena manakorontana. Aiza ve ka isaky ny tsena alakamisy mitokona foana? Raha tsy maintsy atao aza izany maninona raha amin’ny andro hafa? “Tao anatin’izay fotoana nisavorovoroana izay tokoa dia nihena ny fidiram-bolan’ireo mpivarotra satria vitsy ireo mponina no mandeha miantsena satria matahotra sakoroka”, hoy izy.

Ankoatra ny fitrandrahana, tetikasa ho fampandrosoana tanana maro no nifanarahan’ny orinasa sy tanana ao Soamahamanina. Nilaza ny lehiben’ny fokontany, Laurent RAKOTONIRINA fa efa nisy fifampiresahana tamin’ny orinasa ary noezahina nampahafantarina izany ny fokonolona.

Fiahiana ara-tsosialy toy ny fanamboaran-dalana, tobim-pahasalamana , sekoly…no efa voarakitra ao anatin’ny bokin’andraikitry ny orinasa. Ho laharam-pamehana ihany koa ireo mponina amin’ny fandraisana mpiasa. 900 isaky ny fokontany eo no horaisina raha tontosa soamantsara ny fitrandrahana volamena ao Soamahamanina.

Nandeha ny resaka fa voakasika ny ala tapia. Nohamarinin’ny tale teknikan’ny orinasa, Dany RASOLOMANANA fa tsy voakasika mihitsy ny ity farany na ny toerana misy an-dry mopera aza. Nohazavainy ihany koa fa voafehy tanteraka ny toerana manomboka any amin’ny toeram-pitrandrahana ka hatrany amin’ny fanivanana ny tany. Noho izany, tsy ahiana handoto ny rano na ny renirano amin’ny manodidina ireo akora ampiasaina amin’ny dingana lalovana rehetra.

Nirina R.


HETSIKA MIARAMILA TRANAINY : Tsy miombon-kevitra ny Tantsambo


Naresaka be ny fanambarana nataon’ny “ex-militaires” miomana handray andraikitra manoloana ny raharaham-pirenena. Tsy iza ireo efa ireo miaramila misotro ronono sy miaramila tranainy.
Tsy miombon-kevitra amin’izy ireo kosa anefa ny “ex-matafs” na “ex-marins” tao amy Tafika an-dranomasina malagasy, dia ireo Tantsambo tranainy izany. Malalaka ny tsirairay sy ny isam-batan’olona haneho ny heviny hoy izy ireo. Continuer la lecture


FOKONTANY AMBOHINAORINA: Voafitaka ve ny kaominina Sabotsy Namehana nanome alalana hanorina trano?


Raharaha mbola arahina eny amin’ny fitsarana ny ady tany ao amin’ny fokontany Ambohinaorina, kaominina Sabotsy Namehana. Efa misy ihany koa ny taratasy fanohanana avy amin’ny kaominina mandrara ny tsy hikitihana ilay tany mirefy 28 a. Omaly maraina  anefa nisy olona namelatra goailaka, namefy ny ampahan-tany izay nahitana mpitandro filaminana. Niady fototra izy ireo avy eo ary natomboka tamin’ny fotoam-pivavahana izany. Araka ny fanazavana azo, tany manan-tompo io tany io. “Olona folo no tompony io tany io”. Teraka ny ady tany satria olona iray hafa nangataka tany mirefy 3a mahery izay tanim-panjakana mifanakaiky amin’ilay tany voalaza etsy ambony. Ny zava-nitranga anefa lasan’io olona io hatramin’ilay 28 a. Tsara ny mampatsiahy fa efa niafara tamin’ny fandravana trano miisa 14 niorina teo mihitsy izany tamin’ny taona 2006. Nahazo rariny mantsy io olona io.
Anterivava : solo-tenan’ireo olona folo

Tsy nanaiky ireo olona folo ireo ka naka mpisolovava . Rehefa natao ny fanadihadiana, nandefa taratasy ny teo anivon’ny sampandraharahan’ny fanana-tany fa nanao fahadisoana ary niaiky izany. Tokony ilay tany mirefy 3a ihany mantsy no azon’ity olona ity. “Foana hatreo izany ny “titre” milaza fa azy ny tany ka mbola eny am-pelatanan’ny fitsarana ity raharaha ity”. Mampalahelo ny zava-miseho, mbola misy olona manao amboletra manorina trano ihany. Ny mahagaga, hoy ny solontenan’ireo olona folo milaza fa tena tompon-tany, ny nahazoan’ireo nanorina trano fahazoan-dalana tany amin’ny kaominina kanefa ny kaominina izao mihitsy no nanao sonia fanohanana tsy hikitihana ny tany aloha. Nanaitra ny Filoha Lefitry Ben’ny Tanana voalohany ireto fianakaviana ireto mahakasika ny fisian’io taratasy io.
Lany vola aman-karena, betsaka ny tsy manan-kialofana niadiana ny tany ny fianakavian’ireo olona folo ireo. Manaitra ny sain’ny tomponandraikitra voakasika rehetra noho izany izy ireo mba hijery akaiky ny raharaha.
Anterivava : Ben’ny Tanana lefitra faha-3 ( Sabotsy Namehana )

Araka resaka nataonay tamin’ny Lefitry ny Ben’ny Tanana fahatelo eny Sabotsy Namehana, manara-maso akaiky ny toe-draharaha ny kaominina ary ampihaona ny roa tonta. Tsy maintsy hiroso amin’ny fandravana rehefa voamarina fa mbola mandeha eny amin’ny fitsarana tokoa izany.
Lynda A.

HORONAN-TSARY


ISANTAONA D’ANKARAMALAZA : Découvrons en 60 photos les points forts de l’événement


Indéniablement, Ankaramalaza est le plus « grand » des quatre tobilehibe affiliés à la Fédération des Eglises Protestantes de Madagascar ! S’entend par « grand » le nombre de visiteurs ou pèlerins ! Cette multitude constitue un épiphénomène car l’effectif des nouveaux mpiandry (bergers) y recevant leur sacre est déjà phénoménologique. Continuer la lecture