Socio-eco

ANTOKO MAPAR: “Mitory tsy filaminana ny fanagadrana an’Augustin ANDRIAMANANORO”.


“Vao andro vitsivitsy monja ny fandaniana ny lalan’ny fampihavanam-pirenena teny amin’ny Antenimierampirenena, efa mandika izany sahady ny fitondram-panjakana”, hoy ny Antoko politika MAPAR. Naneho ny tsy fahafaliany ireo mpikambana manara-dia ny Filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry RAJOELINA manoloana ny fanagadrana sy fiampangana tsy marina natao an’i Augustin ANDRIAMANANORO, Filoha lefitry ny Antoko sady Ministry ny paositra teo aloha. “Antsonjay tanteraka izao ataon’ny fanjakana izao”, hoy i Christine RAZANAMAHASOA.

Anterivava: Christine RAZANAMAHASOA.

Noho izany, manameloka ny fiampangana an’ny Filoha lefitry ny MAPAR ny antoko. “Takianay ny fampitsaharana ny fanaovana haza lambo ny namanay sy ny famoahana tsy misy hatak’andro ny namanay any am-ponja”.

Fanambarana:  MAPAR

Marihina fa fiampangana miisa efatra no nampidirana an’i Augustin ANDRIAMANANORO. Anisan’izany ny famoriana vahoaka tsy nahazoana alalana, fangalarana basin’ny mpitandro filaminana, doro tanety, fanohitohinana ny filaminam-bahoaka. Nolavin’ny antoko MAPAR ankitsirano ireo fiampangana ireo fa tsy marina.
Nirina R.

HORONAN-TSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *