Socio-eco

PANEL DE HAUT NIVEAU :Manome vahana ny fizakan-tena ara-toekarena an’ny vehivavy.


Anterivava:

Mbola tsy mahazo laka ao anatin’ny fiarahamonina ny vehivavy Malagasy. « An-jorom-bala foana izy ireo eny amin’ny sehatry asa. Ambany noho ny an’ny lehilahy ny karama na ny toerana sahanin’izy ireo », hoy Hugues RATSIFERANA. Manana anjara toerana amin’ny fampandrosoana ny ao an-tokantrano, ny fiarahamonina ary ny firenena anefa ny vehivavy. Ny fanomezana fizakan-tena ho azy ireo no lalan-tokana ahafahana mametraka izany.
Hanampy amin’ny fanomezana fizakan-tena ara-toekarena ny vehivavy ny fehin-kevitra nivoaka nandritra ny lahadinika niarahana tamin’ny firenena mikambana misahana ny vehivavy. Ny fanabeazana, ny fahasalamana ary ny fianarana asa no tena imasoana ao anatin’izany.
Anisany nanohana ny hetsika ny orinasa VIMA izay tarihin’i Zouzar Bouka. “Ny fahatsapana fa manana andraikitra goavana ao an-tokantrano, ao anatin’ny fiarahamonina ny vehivavy ka tokony hanana fizakan-tena ara-toekarena tanteraka no nahatonga ny orinasa nanampy tamin’ny fanatanterahana ny lahadinika”.
Mifanindran-dalana amin’ny fandraisana ny fihaonana an-tampony ny frankofonia avokoa izao hetsika izao. Mifampitohy tamin’ny fiforonan’ny Panel de Haut de Niveau momban’ny fizakan-tenan’ny vehivavy ara-ekonomika ihany koa ity fakan-kevitra ity.
Nirina R.

HORONANTSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *