Andro natokana ho an’ny tontolo iainana maitso ny alahady 03 desambra 2017. Manentana ny olom-pirenena hampiasa ny fitaovam-pivezivezena tsy mandoto ny tontolo iainana toy ny fandehanan-tongotra, bisikileta… Continuer la lecture
Catégorie Socio-eco
Soatanana Atsimo sy Avaratra : Santionany santatry ny Fampihavanana
Raha tontosa tamin’ny taona 2016 ny fanatsarana ny famatsian-dranomadio fisotro tao Soatanana (tanàna Atsimo, Fifohazana FFPM), dia tanteraka ny dinika santatra ho fampihavanana ny roa tonta dia ny tanàna Atsimo sy ny tanàna Avaratra. Ny talata tapak’andro maraina 14 novambira 2017 no nisehoan’izany, tao amin’ny biraon’ny Commune Rurale Soatanana (distrika Isandra, faritra Matsiatra-Ambony). Continuer la lecture
S’M.B.A: Hanana ny toerany ny « mobile banking ».
Hampahafantatra bebe kokoa ny fomba fampindramam-bola sy ny tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana ny « mobile banking » ireo mpandray anjara amin’ny « Salon de la Microfinance, des banques et des assurances » na S’M.B.A. Continuer la lecture
KOPIKOLE SY DECOUVERTE MADAGASCAR 2017: Nandrombaka ny amboara ny kopikolé Tahiry sy i Tsilira.
Nibata ny laharana voalohany tamin’ny fifaninana “kopikolé” 2017 ny kandida avy eto Antananarivo. Tamin’ireo kandida folo tafakatra tamin’ny dingana famaranana, nisalotra ny kopikolé 2017 i Miora, kopikolé Tahiry. Fivahinianana Budapest, renivohitry ny firenena Hongrie ny tenany. Loka avy amin’ny British School of Madagascar izy ity. Tsilira avy ao Toliara kosa no nahazo ny amboara tamin’ny fifaninana an-kira “découverte Madagascar”. Continuer la lecture
EFOI MADAGASCAR: Hankalazaina any Toamasina ny faha-10 taona ny fikambanana.
« Hetsika telo sosona no hitranga ao amin’ny Toamasina ny 21 ka hatramin’ny 26 novambra 2017. Mandritra ny herinandro, handravaka ny araben’ny fahaleovantena an’ny kaominina ambonivohitra ny hetsika “AVI Lecthis”, ny “salon de savoir-faire féminin” na hetsika ho an’ny fahaiza-manaon’ny vehivavy mpandraharaha ary fankalazana ny faha-10 taonan’ny fikambanan’ny vehivavy mpandraharaha eo anivon’ny ranomasimbe Indiana eto Madagasikara (EFOI Madagascar). Continuer la lecture
INDOSTRIA MALAGASY: “Tsy mena-mitaha amin’ireo firenena Afrikana hafa”.
Hankalaza ny andro natokana ho an’ny indostria manerana ny Afrika ny firenena Malagasy. Ho marihina mandritra ny telo andro izany. Orinasa vaventy manodina ny akora avy eto Madagasikara miisa 50 hampiranty ny vokatra vokariny ny alatsinainy 20 ka hatramin’ny alarobia 22 novambra 2017, eny amin’ny Lapan’ny Tanana Analakely. Continuer la lecture
SAKAFO AZO ANTOKA: Misoroka ny fanapoizinana ara-tsakafo.
Ho ampahafantarina eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina androany 18 novambra 2017 ny momba ny sakafo azo antoka sy ara-pahasalamana. Trano heva isan-karazany hanampy ny mpitsidika hahalala ny fenitra takiana manomboka amin’ny fitehirizana, ny fanodinana ny vokatra ho lasa sakafo… Tanjona eto ny hisorohana ny fanapoizinana ara-tsakafo. Continuer la lecture
ARETINA AVY AMIN’NY SAKAFO: Fitsirihana maimaim-poana mandritra ny roa andro.
Manana fotoana ahafahana mizaha ny fahasalamany momba ny aretina azo avy amin’ny sakafo ny mpitsidika ny hetsika natokana ho an’ny androm- pirenena ho an’ny fampiroboroboana ny antoka ara-pahasalamana sy ny kalitaon’ny sakafo. Ny zoma 17 sy ny sabotsy 18 novambra 2017, eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanantanjahantena Mahamasina no hanaovana izany miaraka amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombona antoka aminy. Continuer la lecture
CLUB RIVOTRA: Nanolotra seza roa natokana ho an’ny olona tra-pahasembanana.
Tovolahy iray tsy afaka mandeha, monina eny Ambohitrarahaba notoloran’ny ny fikambanan’ny mpihaino ny fandaharana “rivotra” ao amin’ny onjam-peo RDJ seza natokana ho an’ny olona tra-pahasembanana. Manodidina ny iray tapitrisa Ariary ny vidin’ity seza ity raha eny an-tsena. Continuer la lecture
MPAHAY MPANDREFY TANY : Tsy mahasahana an’i Madagasikara.
Niampy 25 indray ireo mpahay mpandrefy tany eto Madagasikara. Nanatanteraka fianianana izy ireo tetsy amin’ny fitsarana Anosy ny 13 Novambra 2017 lasa teo. Na nisy aza ireo mpahay mpandrefy tany vaovao ireo, tsy mahasahana an’i Madagasikara . Tafiditra amin’ny politikam-panjakana ny fanatsarana sy fanavaozana ny sehatry ny fananantany amin’ny fampitomboana ny isan’izy ireo ny tahaka izao. Tanjon’ny fanjakana amin’izany ny fampihavanana ny Malagasy amin’ny taniny.
Mpahay mpandrefy tany 300.
Miezaka ny holafitry ny mpahay mpandrefy tany eto Madagasikara ( OGEM ) mampitombo ny isan’izy ireo. Miisa 190 ireo voasoratra ao amin’ny holafitra izay vitsy raha miohatra ny velaran-tany izay sahaniny. Noho izany, miantso ireo injienera tsy mbola miasa amin’izany sehatra izany ny filohan’ny OGEM, Lucien Ranaivoarisoa fa ilain’ny firenena. Miisa 300 eo ho eo izy ireo. Misy mihitsy any Afrika. Tsy fantatra ny antony mahatonga azy ireo tsy miditra amin’ny sehatry ny fandrefesan-tany. Malalaka noho izany ny asa fandrefesan-tany ho an’ny tanora.
Mandrefy tany ambony latabatra.
Misy amin’ireo mpahay mpandrefy tany no tsy midina eny an-toerana na maniraka ny mpanampy azy fotsiny . Andraikitry ny OGEM ny manadio sy ny fanaraha-maso ireo manao antsirambina ny asany . Anisan’izany ireo mpahay mpandrefy tany ambony latabatra ireo.
Nirina R.





















