Sport

MARATHON INTERNATIONAL DE TANA Fifaninanana hazakazaka hanohanana ireo mitondra ny SIDA.


Antony lehibe hanaovana ny Marathon International de Tana (MIT) ny fandraisana anjara amin’ny ady atao amin’ny tsimokaretina VIH/ SIDA. Fanindroany amin’ity andiany faha-17 ity no nanohana ny hetsika ny eo anivon’ny sekretera mpanatanteraka ny komity nasionaly miady amin’ny SIDA (SE/CNLS).  Mampirindra ny fahasalamana ny fanaovana fanatanjahantena. Misoroka ny fiakaran’ny tosi-dra, ny hatavezana…Hampihena ny fihanakin’ny aretina  amin’ny  olona voan’ny Sida  ny fanaovana izany.

Ankoatra izany, hanampiana ireo zaza  vao terak mitondra ny VIH/SIDA  ny 20 % vola azo avy amin’ny fisoratana anarana  amin’ny fandraisana anjara amin’ny MIT.

« Ndao hihazakazaka hiady ny SIDA ». Io no lohahevitra hibahana mandritra ny MIT ny 02 sy 03 desambra 2017.  Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *