Nanao filaharam-be namakivaky ny tanànan’i Tsiroanomandidy ny solontenan’ny mpanao Kung-Fu ao amin’ny faritra Bongolava. 4000 ny mpandray anjara tamin’ny filaharam-be. Continuer la lecture
Catégorie Socio-eco
ONIVERSITE ACEEM: “Izay mahay ihany no afaka”
Mpianatry ny oniversite ACEEM Manakambahiny miisa 320 navoaka tamin’ny fomba ofisialy. Nisalotra ny anarana “Miatrika” ireto andiany ireto.
Anterivava : William RATREMA
Araka ny fanazavan’ny tale mpanorina ny vondrom-panabeazana ACEEM, William Ratrema nandritra ny lanonana famoahana azy ireo ny zoma 23 martsa 2018, teny amin’ny CCI Ivato, fa manahirana ny fiainana ka entina hitaizana ireto mpianatra ireto ho vonona hiatrika ny fahasarotan’ny fiainana no antony nisafidianana ny anaran’ny andiany. Andiany faha-8 ireo mpianatra nahazo ny mari-pahaizana Licence ary faha-4 kosa ireo mpianatra nahazo ny diplaoma Master. Nohamafisin’i William Ratrema fa miezaka mamolavola tanora tena manam-pahalalana ny oniversite. Matoa omena mari-pahaizana dia tena ny fahaizany no antony hanomezana azy. Tsy misy izany mari-pahaizana omena maimaim-poana izany fa izay mahay no afaka”, hoy i William Ratrema.
Fiarahamiasa any ivelany
Efa be dia be ireo mpianatry ny oniversite ACEEM no nanohy ny fianarany any ivelany. Miara-miasa amin’ny oniversite IESEG any Lille ny ACEEM. “Mampalahelo anefa indraindray fa tsy miverina eto an-tanindrazana intsony ireo mpianatra. Sekoly manan-danja ny IESEG ka hifandrombahan’ny orinasa any ivelany ny mpianatra mivoaka ao. Raha ny tokony ho izy anefa dia tokony hiverina eto an-toerana hanasoa ny firenena ireo mpianatra”, hoy ny filoha mpanorina ny vondrom-panabeazana ACEEM. Ankoatra izany, miara-miasa amin’ny orinasa avy eto an-toerana ihany koa ny oniversite ho fanamorana ny fampidirana ireo mpianatra amin’ny sehatry ny asa.
Nirina R.
RECEF: Ilaina ny vehivavy amin’ny fifidianana
Mampanjaka ny demokrasia ny fampandraisana anjara ny vehivavy sy ny vitsy an’isa amin’ny fifidianana. Amin’ny maha mpikambana an’i Madagasikara ao anatin’ny firenena mampiasa na amin’ny manontolo ny teny frantsay, nosafidian’ny RECEF (réseau des compétences électorales francophones) Continuer la lecture
FANARARAOTANA MAMOAFADY: Tomponandraikitra ny haino aman-jery
Misy fiantraikany ratsy amin’ny ankizy niharan’ny fanararaotana mamoafady ny fitantarana ny antsipirian’ny zavatra nitranga niainany amin’ny haino aman-jery. Continuer la lecture
ASA SOSIALY : « Mamerina olona amin’ny tena maha olona azy ».
Anterivava : Landry RAMBELOMANANA
Tsy asa soa fa asa fanarenana olona iray ny asa sosialy. « Mamerina olona iray amin’ny tena maha olona azy ny asa sosialy », hoy ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny ISTS ( Institut Supérieur de Travail Social ), Landry RAMBELOMANANA. Continuer la lecture
RAHARAHA METM ANTOHOMADINIKA: Nampiaka-peo ny taranaky ny mpitandrina
Nanakiana mafy ny fihetsika nataon’ny komity foibe ny fiangonana Misiona Evanjelika Tera-tany eto Madagasikara (METM) ny taranak’Itompokolahy Rakotobe Andriamaro, mpitandrina tao amin’ny fiangonana METM Zoara Famonjena Antohomadinika. Continuer la lecture
Propriété et régime foncier : Une délégation malgache à Washington
Une forte délégation malgache composée des représentants de la Cellule de Coordination de la Réforme Foncière (CCRF), de l’Observatoire du Foncier (OF), de la Direction des Domaines et de la Propriétés Foncières (DDPF) et du Direction d’Appui à la Gestion Foncière Décentralisée (DAGFD) est à Washington DC, depuis lundi 19 mars dernier. Continuer la lecture
INTELCIA: Manome asa ho an’ny Malagasy
Niova ho Intelcia ny Outremer Télécom Madagascar sy Maurice. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy nandritra ny fanokanana ny foiben’ny Intelicia eny amin’ny Andranomena ny 20 martsa 2018 io fiovana anarana io. Tafiditra indrindra ao anatin’ny paik’adin’ny vondrona Intelcia ny fanitarana ny sehatra misy azy manerana an’i Afrika sy ny ranomasimbe Indiana.
Anterivava : Karim Bernoussi
“Tombony ho anay Intelcia ny fipetrahana eto Madagasikara noho hatsaran’ny kalitaon’ny foto-drafitr’asa momba ny fifandraisan-davitra. Eo ihany koa ny fampananan’asa ny Malagasy, ny fampiroboroboana ny asa momba ny “relation client” sy ny tombontsoa ara-toekarenan’ny mpanjifa manome ny asa sy ny mpiara-miasa aminay”, hoy ny filoha tale jeneralin’ny vondrona Intelcia, Karim Bernoussi.
Fampananan’asa
Avo dimy heny amin’ny karama farany ambany ny an’ny mpiasan’ny INTELCIA raha ny fanazavana azo. Tamin’ny taona 2000 no niforona ny Intelcia ary mpisehatra goavana amin’ny resaka fifandraisana amin’ny mpanjifa na “relation client”. Voalohany izy raha eto Madagasikara satria 1500 ny mpiara-miasa aminy. Amin’ny maha orinasa tomponandraikitra azy, mandray anjara amin’ny fanomezana asa sy fampiofanana ny Malagasy ny Intelcia.
Nirina R.
ISTS-ONG RTM: Miray hina amin’ny fampiroboroboana ny asa sosialy
Misedra olana ireo ivon-toerana misahana asa sosialy eto Madagasikara. Manoloana izany, lohahevitra nodinihana nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny asa sosialy nokarakarain’ny fianarana ambaratonga ambony mampiofana momba ny asa sosialy ISTS ny fitadiavana vahaolana. Niara-niasa tamin’ny ONG Reggio Terzo Mondo (RTM) ny ISTS tamin’ity fankalazana ity. Continuer la lecture
KAOMININA AMBOHIDRABIBY: Mila vonjy
Tsy manana liseam-panjakana ny kaominina Ambohidrabiby. Voatery mandeha any amin’ny kaominina manodidina ireo mpianatra. Nikambana tamin’ny kaominina Talatanivolonondry i Ambohidrabiby teo aloha. Nanomboka ny taona 2015 izy vao lasa kaominina. Continuer la lecture




























