Socio-eco

Olana arak’asa : Mitaky fiovana toe-tsaina


Mitari-dalana ny tanora manana diplaoma na tsia, sy ireo manana olana arak’asa ny fikambanana  ASTAFIM (“Antoky ho an’ny Tanora ho Fampandrosoana Ifotony eto Madagasikara”). Miompana amin’ny lafiny sosialy ny vinan’asan’ny fikambanana.  Ohatra amin’izany ny fanatanterahana ny tetikasa fanovana toe-tsaina ny tanora manoloana ny  tsy fananan’asa. Hanomboka ny volana may 2018 ho avy izao izany. Betsaka amin’ireo tanora no nahavita fianarana teny amin’ny ambaratonga ambony kanefa tsy mifanaraka amin’ny diplaoma hananany ny asany.  Ny tsy manana diplaoma indray aza no manana  fidiram-bola bebe kokoa noho izy ireo. “Mitaky fiovana toe-tsaina ny fahazoana asa. Raha manana diplaoma injeniera momba ny fambolena sy fiompiana ny mpianatra dia tokony hidina eny amin’ny tontolo ambanivohitra fa tsy hijanona ao anaty birao fotsiny”, hoy ny lehiben’ny tetikasa fanovana toe-tsaina ao amin’ny ASTAFIM, Felih Ratsinavalonjato. Tanjona ao anatin’ny tetikasan’ny ASTAFIM ny fampivondronana ny tanora mba hananany asa mahaleo tena.  Mifanaraka amin’ny fahaizana na traikefa hananan’izy  ireo no toro-lalàna omena azy ireo.

Miainga eny ifotony

Maharitra ny fampandrosoana rehefa ny  hetahetan’ny  mponina no tanterahana. Manampy tosika ny kaominina ny fikambanana ASTAFIM amin’ny fampandrosoana. Midina eny ifotony ny mpikambana ary mihaino ny hetahetan’ny mponina.  “Harafitra ho tetikasa izany avy eo”, hoy ny lehiben’ny tetikasa ao amin’ny ASTAFIM, Harinantenaina Randriamanarivo. Noho izany, tokony hifanaraka filan’ny mponina ny drafitr’asa ataon’ny kaominina. Tokony fanadiovana ny tanàna, fampidirana rano fisotro madio no tokony imasoan’ny kaominina aloha. Raha ny loto mahatonga aretina no tsy fongotra, zava-poana ihany ny fisian’ny hopitaly be dia be.

Lynda A.


One comment on “Olana arak’asa : Mitaky fiovana toe-tsaina

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *