Sport

LOVA RAMISAMANANA: “Mondial 2026” no tanjona


Tao anatin’ny enim-bolana monja, nahavita nanampy ny ekipan’ny Barea nandray anjara tamin’ny lalaom-pirahalahiana miisa efatra tany ivelany ny fikambanana Alefa Barea izay tarihin’i Lova Ramisamanana raha toa ka lalao roa tao anatin’ny 10 taona no vitan’ny federasiona malagasy ny baolina kitra (FMF). Nahazo alalana tany amin’ny federasiona ny tenany tamin’ny fikarakarana izany. Ny 27 oktobra 2018 ny fifidianana izay ho filohan’ny FMF.  Sivy ireo kandida hifaninana ka ao anatin’izany i Lova Ramisamanana. Efa voarafitra tsara ny fandaharan’asany raha lany ho filohan’ny FMF ny tenany.

Hitondra fanovàna amin’ny rafitry ny baolina kitra malagasy i Lova Ramisamanana. Nanaraka ny ekipam-pirenena malagasy hatrany ity kandida ity ary manana vina hanosika ny ekipam-pirenena handray anjara amin’ny lalao iadiana ny tompondaka iraisaimpirenena amin’ny taranja baolina kitra amin’ny 2026 any Amerika. Tsy mijanona amin’ny fanohanana ny ekipam-pirenena ihany ny fandaharan’asan’i Lova Ramisamanana fa hahazo ny anjarany ihany koa ny mpilalao baolina kitra manerana ligim-paritra. Ho apetraka manerana ny ligy 22 ny ivon-toeram-piofanana baolina kitra. Hanampy amin’ny fampiofanana ireo klioba matihanina. “Tanjona ny hamoahana ankizy roa isan-taona isaky ny ivon-toeram-piofanana handeha hianatra any ivelany”, hoy i Lova Ramisamanana. Omena fiofanana avo lenta ihany koa ireo mpiantsehatra rehetra toy ny mpitsara, ny mpitantana ny klioba, ny mpanazatra…

Santionany amin’ny fandaharan’asa an’i Lova Ramisamanana ihany koa ny fampisongadinana ny vehivavy mpilalao baolina kitra. Efa betsaka ny orinasa manohana ny Alefa Barea. Hiezaka handresy lahatra ireo orinasa hafa i Lova Ramisamanana rehefa tonga eo amin’ny fitondrana mba hanamorana ny fanatanterahana ireo tetikasa ireo. Mba hirosoana avy hatrany amin’ny fitadiavana mpiara-miasa dia hisy ny fihaonana ho tanterahana any Paris amin’ny volana desambra 2018.  Hihaona amin’ireo ligy any Eraopa ireo ligim-paritra 22 avy eto Madagasikara mandritra ity hetsika mitondra ny lohateny hoe: “Madagascar, nouvelle terre de football” ity.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *