Socio-eco

MISA: Miasa ao amin’ny Telma ny ankamaroan’ny mpianatra nahavita fianarana


Mpiara-miasa efa ela. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy androany 06 desambra 2019, ny tarika indray mihira, andiany fahaefatra avy ao amin’ny lalam-piofanana MISA (Mathématiques, Informatique, Statistique Appliquées), fakiolten’ny siansa, oniversiten’Antananarivo. Nisalotra ny anarana “Ambinintsoa” ny andiany nahazo ny diplaoma Licence ary “Misandratra” ny Master II. Ny Administrateur Directeur Général (ADG) ny orinasa Telma no niahy azy 75 mianadahy. Araka ny fanazavan’ ny mpianatra iray nahazo ny mari-pahaizana Master II, Rabemanantsoa Anjarasoa fa efa mpiara-miasa akaiky amin’ny MISA ny Telma raha tsy hilaza afa-tsy ny famatsiana “connexion internet”, ahafahan’ny mpianatra mamita ny fianarany.

Ho an’ny resaka asa dia nambarany fa ny ankabeazan’ny ankizy, rehefa tafavoaka amin’ny fianarana dia mahita asa avokoa. “Ohatr’ ahy izao efa miasa ao amin’ny Telma. Maromaro ihany koa no miasa any amin’ny toeran-kafa (…) Ny ankabeazan’ny mpianatra dia miasa ao amin’ny Telma”, hoy izy. Mbola nanamafy ny ADG fa hitohy hatrany fiarahamiasan’ny roa tonta.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *