Modely fitantanana nampiharina nanomboka tamin’ny taona 1970 ny « management de transition », saingy mbola tsy dia be mpahafantatra eto Madagasikara. Vahaolana iray ho an’ireo orinasa mandalo krizy na fiovana izy io. Miantso « manager de transition » ny orinasa iray rehefa sendra olana toy ny fahasahiranana ara-bola, fahaverezan’ny mpanjifa stratejika, na koa rehefa miatrika fiovana lehibe toy ny firosoana amin’ny nomerika, fitomboana haingana tsy voafehy, na fananganana sampana vaovao.
Nikarakara famelabelaran-kevitra momba ny management de transition ny FTHM Consulting sy ny Kambana Consulting Africa ny 20 Mey 2026 teny amin’ny Café de la Gare, Soarano. Ny lohahevitra noresahina tamin’izany dia ny hoe : « Ahoana no iantohana ny fitohizan’ny asa sy ny fahombiazan’ny orinasa mandritra ny vanim-potoanan’ny fiovana ? » (Comment assurer la continuité et la performance d’une entreprise en période de changement ?).
Nizara ny traikefany momba izany i Fidelis Randrianirina, mpiara-miombon’antoka ao amin’ny FTHM Consulting, sy i Eric Douhéret, mpanorina ny Kambana Consulting Africa.
« Ny manager de transition dia mpitantana vonjimaika apetraka ao amin’ny orinasa iray mandritra ny fotoana voafetra. Maro ny tranga ilana azy. Ohatra, raha niala tampoka ny mpitantana iray nefa tsy maintsy mitohy ny asan’ny orinasa, dia afaka mandray an-tanana ny fitantanana ny orinasa iray manontolo na sampana iray mila fampandehanan-draharaha maika ny manager de transition », hoy i Fidelis Randrianirina.
Nambarany ihany koa fa azo antsoina ny manager de transition rehefa miditra amin’ny tsena vaovao ny orinasa iray na rehefa tsy maharaka ny fitomboan’ny orinasa intsony ny rafitra fitantanana misy ka ilaina ny fanampian’olona manana traikefa. Toy izany koa raha sendra krizy mila vahana ny orinasa, ka ilaina ny fandraisana olona avy any ivelany hiasa mandritra ny fotoana voafetra. Araka ny fanazavany, eo anelanelan’ny 3 sy 18 volana eo no faharetan’ny asa ataon’ny manager de transition.
Mitondra vokatra mazava sy azo refesina
Manana adidy hahatratra vokatra mazava sy azo refesina ny manager de transition. « Mahomby ity vahaolana ity satria manana fomba fijery vaovao avy any ivelany ny manager de transition, izay mety tsy hitan’ireo mpiasa ao anatin’ny orinasa. Matetika koa izy ireo dia efa matihanina sy za-draharaha ary manana traikefa lalina amin’ny fitantanana », hoy i Fidelis Randrianirina.
Nohazavainy fa ny maha samy hafa ny manager de transition sy ny consultant dia ny consultant matetika manao fanadihadiana sy manome torohevitra momba izay tokony hatao, fa ny manager de transition kosa dia tsy vitan’ny hoe manao izany fa izy ihany koa no manatanteraka sy mitarika ny fampiharana ny drafitra napetraka. « Izany no mahatonga azy ho vahaolana tena mahomby ho an’ny orinasa », hoy izy.
Nambarany fa efa azo ampiharina tsara eto Madagasikara ny management de transition. Tao anatin’ny folo taona mahery, efa niara-niasa tamin’ireo orinasa eo amin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra, ny fitsinjarana, ny orinasa ara-bola ary ny kaoperativa ny FTHM Consulting tamin’ny alalan’ity modely fitantanana ity.
Ra-Nirina



