Socio-eco

HAKANTO CONTEMPORARY: Mampiranty ireo sangan’asa mampiseho ny zava-mitranga ankehitriny


Miverina misokatra indray ny Hakanto Cotemporary  eny amin’ny Galerie Alhambra Ankadimbahoaka rehefa nikatona amam-bolana noho ny valanaretina Covid-19. Maimaimpoana ny fitsidihana. Manomboka ny 27 febroary 2021 ka hatramin’ny 16 mey 2021 dia sangan’asan’ireo mpamorona kanto Malagasy sy vahiny miisa telo: Temandrota,  Riana Ralay Ranaivo  ary MentalKlinik no hampirantiana eny an-toerana. Lohahevitra resahina amin’ireo alalan’ny sangan’asan’izy ireo ny zava-mitranga ankehitriny sy ny zavatra hitranga amin’ny ho avy. Ho hita mandritra ny fampiratiana ihany koa ny sangan’asan’i  Andrianomearisoa Joël mitondra ny lohateny hoe “Beyond all you are mine” na “Manoloana ny zava-misy, ahy foana ianao”. Namboariny tamin’ny alalan’ny vy io fehezanteny io ary natsatony tamin’ny “beton”. Mifampitohy amin’ilay sary sokitra eny amin’ny seranampiaramanidina Ivato (Ravinala Airports) misy soratra hoe “Efa any ve ianao sa efa aty” io sangan’asa io. Nambaran’i  Andrianomearisoa Joël, tale mitantana ny Hakanto Contemporary fa ireo sangan’asan’ ireo mpamorona kanto Malagasy sy vahiny mandray anjara ireo dia mampiseho fa na dia eo aza ny zava-misy dia mbola velona foana isika, mbola mifankatia.

Miainga amin’ny zavatra mora

HAKANTO CONTEMPORARY - TemandrotaHo an’i Temandrota mpanakanto mampifangaro ny sary sy ny sary sokitra ny sangan’asany. Mampiavaka azy ny fampiasana ny  akora miainga eny anivon’ny fiarahamonina toy ny tain’omby, ny taretra, ny taratasy… Amin’ny alalan’ny akora  ampiasainy no ampisehoany ny fahatsapany. Taratasy nalaina teny isotry, taretra teny Anosibe, miampy tain’omby no afangarony ary  niara-niasa tamin’ny orana sy ny afo izy tamin’ny fanamboarana ireo sangan’asany hampirantiny eny amin’ny Hakanto Contemporary. “Sady mirehitra ny afo no milatsaka ny orana. Amin’alalan’izay ihany koa no hamoronako ny loko”, hoy i Temandrota. Manasongadina ny faharefoan’ny fiarahamonina Malagasy  ihany koa ireo  sangan’asan’ireo. “ Ao anatin’ny fiarahamonina dia  marefo […] niainga teny Isotry, eny amin’ny sarambabembahoaka ny akora nampiasaiko fa tiako ny zavatra marefo hilazako zavatra mahery, io loko mainty io mahery. Tsy voatery manana akora vidiana lafo na voatery hanaraka akora fampiasa amidy eny amin’ny mpivarotra fitaovana hamoronana sary fa miainga amin’ny zavatra eny amin’ny fiarahamonina, mitarika ny olona hanonofy”, hoy izy. Araka ny fanazavan’ny Directeur des opérations Fonds de dotation HY Ratsirahonana Mercedes fa ity Hakanto Cotemporary ity no tetikasa lehibe indrindra notohanan’ny Fonds de Dotation HY. “Tanjona ny hanomezana sehatra ny mpanakanto Malagasy hivoatra,  hahita ny zava-misy na eto an-toerana na any ivelany. Mampahafantatra ny artista izahay fa misy ny sehatra azo hivelarany, hisongadinany bebe kokoa”, hoy izy.

Nirina R.


One comment on “HAKANTO CONTEMPORARY: Mampiranty ireo sangan’asa mampiseho ny zava-mitranga ankehitriny

  1. Pingback: HAKANTO CONTEMPORARY: Mampiranty ireo sangan’asa mampiseho ny zava-mitranga ankehitriny - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *