Catégorie Doka


Aide budgétaire à Madagascar : Un montant de 10 millions d’euros de la France


Conformément à la convention de 40 millions d’euros signée en novembre 2014 entre la République de Madagascar et la France via l’Agence Française de Développement, le dernier versement prévu dans la convention sera effectué en début de semaine prochaine. Il fait suite à un premier versement de 20 millions d’euros en début d’année et à un deuxième de 10 millions d’euros en septembre dernier. La France entend ainsi poursuivre son accompagnement des efforts entrepris par Madagascar.

nivazavaza aza ny vondrona Eraopeana


Motomaso (*) mitrebona akaikin’ny lava-piringa ka maniry ihany saingy mievoka rivotra maloto. Na nanao resaka aza ry ra-BAD, na nivazavaza aza ny vondrona Eraopeana, na nivonon-ko tompony aza ny taranaky ry Asterix, na hilaza lainga faha-zato amby arivo aza ny dadan’i Sarah dia tsy maintsy ho tompon’antoka amin’ny zavatra nolazainy hatrizay  Ra-Martiniiii  na ho aiza na ho aiza.

Azafady ry havako, fa raha misy ho kotsan’ny ranon’orana raha fahavaratra dia izay ratsy sarotro ihany. Raha misy ny ho petsan’ny  roran’adala dia izay mahanihany azy ihany no ho maimbo. Raha misy ny ho vakivaky tongotra dia izay sahy mandeha manitsy an-tanimbary.

Ankadinondry-Sakay : tonga ny herin’aratra


Notokanana omaly ny foibe famokarana herin’aratra ao Ankadinondry ka, ela ny ela, afaka hisitraka izany ny mponina. Hampivoatra ny andavanandronareo izany, hoy ny Filoha Rajaonarimampianina, indrindra fa afaka hitrandraka lalam-pihariana vaovao ihany koa ireo vahoaka miisa 51.000 mahery, amin’ny akohonana 5.000.

Nanambany ihany koa fa miroso any amin’ny fampiarahana ny milina nahazatra sy ny angovo tovozina avy amin’ny herin’ny masoandro koa isika ary efa manomboka ny asa fananganana ny foibe famokarana herin’aratra ao amin’ny tohadranon’ Ampitabepoaky, ao Bongolava, ho an’i Tsiroanimandidy sy ny manodidina.