Notokanana omaly ny foibe famokarana herin’aratra ao Ankadinondry ka, ela ny ela, afaka hisitraka izany ny mponina. Hampivoatra ny andavanandronareo izany, hoy ny Filoha Rajaonarimampianina, indrindra fa afaka hitrandraka lalam-pihariana vaovao ihany koa ireo vahoaka miisa 51.000 mahery, amin’ny akohonana 5.000.
Nanambany ihany koa fa miroso any amin’ny fampiarahana ny milina nahazatra sy ny angovo tovozina avy amin’ny herin’ny masoandro koa isika ary efa manomboka ny asa fananganana ny foibe famokarana herin’aratra ao amin’ny tohadranon’ Ampitabepoaky, ao Bongolava, ho an’i Tsiroanimandidy sy ny manodidina.