Ho ampahafantarina eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina androany 18 novambra 2017 ny momba ny sakafo azo antoka sy ara-pahasalamana. Trano heva isan-karazany hanampy ny mpitsidika hahalala ny fenitra takiana manomboka amin’ny fitehirizana, ny fanodinana ny vokatra ho lasa sakafo… Tanjona eto ny hisorohana ny fanapoizinana ara-tsakafo. Continuer la lecture
Catégorie Actus
ARETINA AVY AMIN’NY SAKAFO: Fitsirihana maimaim-poana mandritra ny roa andro.
Manana fotoana ahafahana mizaha ny fahasalamany momba ny aretina azo avy amin’ny sakafo ny mpitsidika ny hetsika natokana ho an’ny androm- pirenena ho an’ny fampiroboroboana ny antoka ara-pahasalamana sy ny kalitaon’ny sakafo. Ny zoma 17 sy ny sabotsy 18 novambra 2017, eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanantanjahantena Mahamasina no hanaovana izany miaraka amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombona antoka aminy. Continuer la lecture
CLUB RIVOTRA: Nanolotra seza roa natokana ho an’ny olona tra-pahasembanana.
Tovolahy iray tsy afaka mandeha, monina eny Ambohitrarahaba notoloran’ny ny fikambanan’ny mpihaino ny fandaharana “rivotra” ao amin’ny onjam-peo RDJ seza natokana ho an’ny olona tra-pahasembanana. Manodidina ny iray tapitrisa Ariary ny vidin’ity seza ity raha eny an-tsena. Continuer la lecture
MPAHAY MPANDREFY TANY : Tsy mahasahana an’i Madagasikara.
Niampy 25 indray ireo mpahay mpandrefy tany eto Madagasikara. Nanatanteraka fianianana izy ireo tetsy amin’ny fitsarana Anosy ny 13 Novambra 2017 lasa teo. Na nisy aza ireo mpahay mpandrefy tany vaovao ireo, tsy mahasahana an’i Madagasikara . Tafiditra amin’ny politikam-panjakana ny fanatsarana sy fanavaozana ny sehatry ny fananantany amin’ny fampitomboana ny isan’izy ireo ny tahaka izao. Tanjon’ny fanjakana amin’izany ny fampihavanana ny Malagasy amin’ny taniny.
Mpahay mpandrefy tany 300.
Miezaka ny holafitry ny mpahay mpandrefy tany eto Madagasikara ( OGEM ) mampitombo ny isan’izy ireo. Miisa 190 ireo voasoratra ao amin’ny holafitra izay vitsy raha miohatra ny velaran-tany izay sahaniny. Noho izany, miantso ireo injienera tsy mbola miasa amin’izany sehatra izany ny filohan’ny OGEM, Lucien Ranaivoarisoa fa ilain’ny firenena. Miisa 300 eo ho eo izy ireo. Misy mihitsy any Afrika. Tsy fantatra ny antony mahatonga azy ireo tsy miditra amin’ny sehatry ny fandrefesan-tany. Malalaka noho izany ny asa fandrefesan-tany ho an’ny tanora.
Mandrefy tany ambony latabatra.
Misy amin’ireo mpahay mpandrefy tany no tsy midina eny an-toerana na maniraka ny mpanampy azy fotsiny . Andraikitry ny OGEM ny manadio sy ny fanaraha-maso ireo manao antsirambina ny asany . Anisan’izany ireo mpahay mpandrefy tany ambony latabatra ireo.
Nirina R.
4 G ORANGE : Hiroborobo hatrany sehatry fambolena.
Anisany faritra mamatsy ny vokatry ny fambolena an’i Madagasikara i Antsirabe. Hanampy betsaka ireo mpandraharaha amin’ity sehatry ity noho izany ny fahatongavan’ny “réseau 4 G” an’ny orinasa Orange. Varavarana ahafahana manaparitaka ny vokatra na eto amin’ny tsena anatiny na any ivelany ny fampiasana aterneto haingam-pandeha. “Mampivoatra ny fandraharahana amin’ny lafiny fambolena ny fampiarahana izany amin’ny teknolojia vaovao”, hoy ny Tale Jeneralin’ny Orange, Michel Degland. Continuer la lecture
CRIMARIO : La coopération maritime se renforce à Madagascar et aux Comores
Le développement de l’économie bleue passe par la maîtrise des crimes et incidents en mer. Pour y répondre, le projet européen CRIMARIO (Critical Maritime Routes Indian Ocean) et le CRFIM (Centre Régional de Fusion d’Informations Maritimes) œuvrent pour une coopération régionale et une coordination inter-administrations, illustrés par deux événements :
TOKONY AVERINA AMIN’NY FANJAKANA NY TANY…
Olana goavana ny fananan-tany eto Madagasikara ary tsy mbola nahitam-bahaolana hatramin’izao. Na dia efa misy aza ny volavolan-dalana tonga eny amin’ny antenimierampirenena izay efa kian’ny fiarahamonim-pirenena sahady ireo andininy sasan-tsasany. Continuer la lecture
FORUM DIASPORA MALAGASY : Fampizarana ny traikefa hampandrosoana ny firenena.
Nampifandray ireo Malagasy mpitady ravinahitra manerana an’izao tontolo izao ny hetsika natao teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka. Nifanakalo hevitra momba ny firaisankinam-pirenena, ny fampandrosoana, ny “business”… Continuer la lecture
Rakotomanana Honoré : Natosika hiala
Nanao fanambarana io maraina io ny loholon’i Madagasikara Rakotomanana Honoré, ary nanambara fa niala tsy ho Filohan’ny Antenimierandoholona ny tenany. Hitsahatra amin’ny maha filohan’ny Antenimierandoholona ahy aho, ary averiko aminareo ny andraikitra ary banga ny toerana, hoy izy. Continuer la lecture
MINISTERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA: Miantoka ny fahasalamana ny sakafo azo antoka
“Ho dorana avokoa ireo karazan-tsakafo miditra eto Madagasikara tsy manaraka ny fenitry ny fahasalamana”. Nambaran’ny Tale misahana ny fitsirihana ny antoka ara- pahasalamana sy ny kalitaon’ny sakafo (ACSSQDA), Joely Nirina RAKOTOVAO RAVAHATRA fa ho giazana ireo entana rehetra varotana eny an-tsena ka tsy nandalo fitsirihana ara-pahasalamana mba hisorohana ny fahapoizinana ara-tsakafo. Continuer la lecture