Socio-eco

ESTIIM’: Manana ny toerana maha izy azy amin’ny sehatrin’ny asa ireo mpianatra mivoaka ao amin’ny oniversite


« Tsy mbola vita akory ny fianaran’ireo mpianatra dia efa misy orinasa mitady azy ireo sahady », hoy ny Tale Mpitantana ny oniversite ESTIIM’. Tamin’ireo andiany Manjaka, nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny 21 desambra 2022 teny amin’ny CCI Ivato dia misy amin’izy ireo no efa anatin’ny sehatrin’ny asa. 141 ny isan’ireto mpianatrin’ny ESTIIM’ nivoaka ireto ary nahazo ny diplaoma DTS, LICENCE ary MASTER. Avy amin’ny lalam-piofanana fito (07): « administration Management », « commerce et marketing », « droit », « tourisme », « informatique », « communication » izy ireo.  « Matoa ireo lalam-piofanana fito ireo nosokafana dia ireo izany no ahitana lalan’asa. Mety hanokatra lalam-piofanana hafa ny oniversite arakaraka zava-misy satria miankina amin’ny zavamisy ara-toekarena sy sosialy ny tsenan’ny asa », hoy hatrany i Andrianadison, Tale Mpitantana ny ESTIIM’. Nohamafisiny fa manana ny toerana sahaza azy ireo mpianatra mivoaka ao amin’ny oniversite amin’ny sehatrin’ny asa eto Madagasikara na any ivelany. Nisy tamin’ireo mpianatra tranainy no tonga nanatrika ny lanonana famoahana ny andiany Manjaka ka nizara  traikefan’izy ireo sy nijoro vavolombelona ny tombontsoa azon’izy ireo noho fisafidianana ny oniversite ESTIIM’.

Nankalazaina tamin’ny 21 desambra 2022 ihany koa ny faha-20 taonan’ny ESTIIM’. Notolorana mari-boninahi-pirenena sy medalin’ny asa mpanabe sy mpandraharaha ao amin’ny Oniversite  noho asa vitan’izy ireo. Raha ny tarehimarika nomen’ny Tale Mpitantana dia mpianatra 3000 mahery  no efa nivoaka tao nandritra izay 20 taona izay. Manana vina hanangana trano fianarana ho azy manokana ny oniversite. « Efa misy ny tany ary ho atomboka amin’ity taona ity ny asa fanamboarana », hoy i Andrianadison. Ho an’ny 20 taona manaraka dia manana vina hametraka sekoly hahazoana ny mari-pahaizana « Doctorat » ihany koa ny ESTIIM’. Tsy adino ihany koa ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana.

Ra-Nirina


One comment on “ESTIIM’: Manana ny toerana maha izy azy amin’ny sehatrin’ny asa ireo mpianatra mivoaka ao amin’ny oniversite

  1. HARIMANANA Jiggie Nobel

    Moi, je vous remercie infiniment. C’est grâce à l’Université ESTIIM’ que j’ai obtenu mon diplôme de MASTER (Master 2) en Administration/Management. Merci ESTIIM’.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *