Socio-eco

FIKAMBANANA PORTE BONHEUR : Feno hafaliana ireo mpianatra sy ray aman-drenin’ny mpianatra ary mpampianatra miisa 400


« Mizara hasambarana ». Izay no fanirian’ny  fikambanana  “Porte Bonheur”. Izay rahateo no dikan’ny anaran’ity fikambanam-behivavy hivondranan’ireo reny tsara sitrapo ao amin’ny kaominina Alasora. Nizara hafaliana teny amin’ny EPP Miadana Alasora ny fikambanana, ny 22 desambra 2022 ho fiatrehana ny fetin’ny noely sy ny faran’ny taona. Mpianatra, ray aman-drenin’ny mpianatra ary mpampianatra miisa 400 no nahazo fanomezana tamin’ireo mpikambana ao amin’ny “Porte Bonheur”. Kilalao no azon’ireo ankizy, saribakoly ho an’ny vavikely ary fiara kely an’ny lahikely. Mbola niampy vatomamy, biscuit sy sôkôla ihany koa. Harona (panier garni) nisy sakafo toy “macaroni”, menaka, sira kosa no nozaraina tamin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra. Ankoatra ny “panier garni” dia nahazo vary 5 kilao avy, ireo mpampianatra. “Amin’izao ankatokin’ny fety izao dia hita tokoa fa sahirana ireo ray aman-dreny. Mety misy aza tsy mahavidy kilalao ho an’ny zanany, tsy mahavidy sakafo ho  an’ny zanany. Izany no nahatonga ny hetsika androany. Nizara panier garni ho an’ny ray aman-dreny izahay mba sakafo miavaka kely no atao amin’ny fety. Nizara kilalao ho an’ny ankizy ihany koa. Fanirinay mba hisy endrika hafaliana amin’izy ireo”, hoy Randriantsoa Mireille, Filoha mpitarika ny fikambanana Porte Bonheur sady vadin’ny Ben’ny tanànan’Alasora.  Araka ny fanazavany hatrany dia nitondra fanampiana ho an’ireo mpampianatra ihany koa ny fikambana satria  izy ireo no  tena manabe ireo ankizy ka mendrika “fisaorana  izy ireo amin’ny asa vitany”.

Hitohy ny hetsika ara-tsosialy

18 ny reny tsara sitrapo mikambana ao amin’ny Porte Bonheur. Mpikambana ao ny vadin’ny Lehiben’ny  distrika Avaradrano, vadin’ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’ Avaradrano, ireo talen-tsekoly eny amin’ny EPP ary ireo vehivavy mpandraharaha. Ezaka ataon’ny mpikambana sy fiarahamiasa amin’ireo malala-tanàna no ahafahan’izy ireo manampy ny mpiara-belona. Ho an’ny taona 2022, hetsika ara-tsosialy 5 no nataon’ny fikambanana toy ny hetsika tamin’ny 8 martsa, ny fetim-pirenena malagasy, ny fidiran’ny mpianatra, ny fizarana tohana noho ny rivo-doza ary izao fetin’ny noely izao.  Ireo mpianatra, mpampianatra, ray aman-dreny teny amin’ireo EPP ao amin’ny kaominina Alasora avokoa no nisitrika izany. Tsy adino ihany koa ireo beantitra.  Mbola manana vina hanohy ny hetsika ara-tsosialy amin’ireo vanim-potoana ireo,  any amin’ireo EPP hafa ny fikambanana amin’ny taona 2023, raha ny fanambara nataon’ny  vadin’ny Ben’ny Tanànan’Alasora, Randriantsoa Mireille.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *