Socio-eco

GRANDE BRADERIE DE MADAGASCAR: Mihoatra ny 15 % ny fihenam-bidy amin’ireo entana ilaina amin’izao fetin’ny noely izao


Akanjo,kiraro, kilalao, sakafo, kojakojan-dakozia. Hita eny amin’ny Grande Braderie de Madagascar avokoa izany amin’izao ankatokin’ny fetin’ny noely sy faran’ny taona izao. Tsapa nandritra ny andro voalohany sy faharoa fa samy nahita izay notadiavin’ireo mpitsidika. Nanomboka ny alarobia 21 desambra 2022 ny hetsika ary mbola hitohy ny 23 sy 24  desambra 2022 eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina.  150 ny trano heva mivarotra ireo entana ilaina amin’izao vanim-potoana ny fety izao toy ny akanjo, kiraro, kilalao ho an’ny ankizy, kojakoja ao an-dakozia… “Iharan’ny fihenambidy 15 % avokoa ireo entana amidy. Misy aza mihoatra ny 15 % ”, hoy Andrianasolo Hery, tomponandraikitra ara-barotra ao amin’ny Mada Vision.  Nambarany fa ambohipihaonan’ny mpianakavy ny Grande Braderie satria hita amin’ny toerana iray avokoa ireo entana ilaina sady afaka miantsena am-pilaminana ny mpitsidika noho ny fisian’ny “parking” sy ny mpiambina. Manomboka amin’ny 8 ora maraina ny vavahady no misokatra  ary mihidy amin’ny 7 ora hariva.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *