Archives mensuelles novembre 2020


FITORIANA NY BEN’NY TANANAN’ALASORA : Indroa niala maina ireo mpitory


Nohamafisin’ny teo anivon’ny fitsarana tampony  ny didy navoakan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana . Tsy afa-po tamin’ny didy navoakan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ny kandidà mpanolon-tsaina  iray avy ao amin’ny fikambanana TAMI ( TAlasora MIray) sy ny kandidà ben’ny tanana laharana fahatelo ka nampiakatra teny amin’ny fitsarana tampony. Continuer la lecture


CNAPS : Mahazo fanampiana ara-bola tsy averina ireo mpandray fisotroan-dronono, ireo natsahatra tamin’ny asany


Tsapa ankehitriny ny tombontsoa amin’ny maha mpikambana. Taorian’ny fizarana Tsinjo Fameno dia nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny 31 oktobra 2020 tany Fort Dauphin ny fanampiana ara-bola karazany roa ataon’ny CNAPS amin’ny alalan’ny tahirim-bola ho an’ny asa sosialy sy fahasalamana ho an’ireo zokiolona mpandray fisotroan-dronono, « rentier » ary ireo natsahatra tamin’ny asany (chômeurs) noho ny valanaretina covid-19. Continuer la lecture