Socio-eco

CNAPS : Mahazo fanampiana ara-bola tsy averina ireo mpandray fisotroan-dronono, ireo natsahatra tamin’ny asany


Tsapa ankehitriny ny tombontsoa amin’ny maha mpikambana. Taorian’ny fizarana Tsinjo Fameno dia nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny 31 oktobra 2020 tany Fort Dauphin ny fanampiana ara-bola karazany roa ataon’ny CNAPS amin’ny alalan’ny tahirim-bola ho an’ny asa sosialy sy fahasalamana ho an’ireo zokiolona mpandray fisotroan-dronono, « rentier » ary ireo natsahatra tamin’ny asany (chômeurs) noho ny valanaretina covid-19. Ho an’ny fanampiana ara-bola ho an’ny mpisotro ronono sy « rentier » dia fanampiana ara-bola tsy averina izy io ary ho an’ireo mpandray fisotroan-dronono isaky ny telovolana ary latsaky ny 600.000 Ariary ny vola raisina.150.000 Ariary ny fanampiana ho an’ireo mandray fisotroan-dronona latsaky ny 400.000 Ariary, 125.000 Ariary ho an’ny 400.001 ka hatramin’ny 500.000 Ariary ary 100.000 Ariary no omena ireo mandray vola 500.001 ka hatramin’ny 600.000 Ariary. Tsy misy dingana atao ho an’ireo mpisotro ronono na « rentier » fa tonga dia mirotsaka ao amin’ny kaontin’izy ireo nanomboka ny volana oktobra ka hatramin’ny desambra 2020 izany. Raha ny fanampiana ho an’ireo natsahatra tamin’ny asany kosa dia mahazo vola mitentina 175.000 Ariary izy ireo ary tsy averina. Raha te ahafantatra fa afaka misitraka io fanampiana io dia mila mitsidika ny tranokalan’ny www.cnaps.mg na manatona mivantana eny amin’ny biraon’ny Cnaps alohan’ny 30 novambra 2020 na miantso ny laharana 034 42 833 33 na 032 03 833 33 na 033 90 833 33. Nambaran’ny ministry ny asa, ny fampanan’asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, Ranampy Gisèle fa “15.000 ny mpiasa mikambana ao amin’ny Cnaps no very asa vokatry ny Covid-19, mpandray fisotroan-dronono sy « rentiers » miisa 55.000 mandray vola latsaky ny 600.000 Ariary. Amin’ny alalan’ireto fanampiana ara-tsosialy ireto, hetsika ataon’ny Cnaps dia miatraika mivantana amin’ny fiainana andavan’andron’ny mpiasa ny fiahiana ara-tsosialy. Manomboka tsapa ny tombontsoa amin’ny maha mpikambana ao amin’ny Cnaps raha oharina tamin’ny tsy mbola nisy izany”. Ao anatin’ny vinan’ny Cnaps ny fametrahana ho laharam-pamehana ny mpikambana. Nanafatra ny Tale jeneralin’ny Cnaps fa lazao ny zanakareo, ny zanakintsika hiditra amin’ny Cnaps rehefa miasa. Takio amin’ny mpampiasa mba idirany amin’ny Cnaps”.

Nirina R.


One comment on “CNAPS : Mahazo fanampiana ara-bola tsy averina ireo mpandray fisotroan-dronono, ireo natsahatra tamin’ny asany

  1. Pingback: CNAPS : Mahazo fanampiana ara-bola tsy averina ireo mpandray fisotroan-dronono, ireo natsahatra tamin’ny asany - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *