Socio-eco

TRANSPARENCY INTERNATIONAL : Nahazo fankasitrahana ny ekipan’ny Olondia corporation


Nitombo indray ny lazan’ny www.deliremadagascar.com. Lasan’ny mpanao gazety ato amin’ny www.deliremadagascar.com ny loka natokana ho an’ny “tanora mpanao gazety” tamin’ny fifaninana “ohatrinona ny teti-bolan’ny kaominina misy ahy? Ny Transparency International-Initiative Madagascar no nikarakara ity fifaninana andiany 2017 ity. “Mba hampiavahana ireo mpanao gazety an-tsoratra sy amin’ny aterneto, amin’ny onjam-peo sy ny fahitalavitra vokatry ny asa fanadihadiana ataon’izy ireo momba ny lohahevitra fangaraharan’ny teti-bolan’ny kaominina sy hamerenana ny fahatokisan’ireo olom-pirenena sy ireo mpandraharaha ao amin’ny kaominina no tanjon’ny fifaninana”, hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny Transparency International-Initiative Madagascar, Fréderic Lesne.

Nozaraina isaky ny sokajin’ny fomba fampitam-baovao ny loka. Nomena ny mpanao gazety Lynda Andriatsitonta sy Nirina Rakotomiarintsoa eto amin’ny www.deliremadagascar.com izay ao anatin’ny groupe Olondia corporation  ny loka ho an’ny tanora mpanao gazety. Judith Rakotovao, mpanao gazetin’ny onjam-peo RTA Mahajanga no nahazo ny loka ho an’ny “vehivavy mpanao gazety”. Navy Clet Sylvain mpanao gazetin’ny RNM/TVM Diego no nandrombaka ny loka “asa fanaovan-gazety fanadihadiana lalina”. Lasan’ny mpanao gazetin’ny L’Express Madagascar, Garry Fabrice Ranaivoson ny loka ho an’ny gazety an-tsoratra. Ankoatra azy ireo, nahazo ny “loka manokan’ny mpitsara” i Vonona Rakotondratsimba avy ao amin’ny www.gasikaranews.com.

https://transparency.mg/article/les-gagnants-du-concours-de-presse–quel-est-le-budget-de-ma-commune-


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *