Socio-eco

TRABOINA AO AMIN’NY DISTRIKAN’I MOROMBE: Ampy ao anatin’ny herinandro ireo vatsy ara-tsakafo


Fanintelony izao ny mponina ao amin’ny distrikan’i Morombe no lasibatry ny orambe htramin’ny 20 febroary 2019 no mankaty. Tafakatra hatrany amin’ny soroka ny haavon’ny rano ka dibo-drano avokoa ny tanimboly, ny fitoeran-tsakafo, ny fatsakana ary ny lava-piringa.

Mponina miisa 10.000 tao amin’ny kaominina Ambahikily sy Tanandava Station no nizaka takaitra vokatr’izany orambe izany. Efa nanomboka tamin’ny taona 2014 ny fikambanana Secours Islamique France (SIF) no nanao asa sosialy tao amin’ny distrikan’i Morombe, faritra Atsimo Andrefana. Ho fanampiana ireo traboina ao amin’ireo kaominina roa ireo dia nizara vatsy ara-tsakafo ho an’ireo traboina manerana ny fokontany sivy ao main’ireo kaominina roa ireo ny fikambanana ny 5 martsa 2019. Tokantrano miisa 2066 no nisitraka izany ka samy nahazo vary dimy kilao, siramamy iray kilao, menaka iray litatra, tsaramaso roa kilao, sira amin’ny “sachet” roa. Ho ampiasaina mandritra ny herinandro ireo vatsy ara-tsakafo ireo. Mbola andiany voalohany ity hetsika ity satria mbola tsy ampy ny filàna hanampiana ireo traboina ao amin’ny distrika Morombe.

Raha ny tombana dia olona miisa 10.000 tao amin’ny kaominina Ambahikily sy Tanandava Station no nizaka takaitra vokatry orambe. Dibo-drano 85 % ny tanimboly, lava-drano miisa 390 no difotry ny rano ary mpianatra 5000 isa tsy afaka manohy ny fianarany. Efa nandray ny andraikiny amin’ny fandritràna ny rano ny tomponandraikitra any an-toerana. Manaraka izany, mba hisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina ateraky ireo lava-piringa dibo-drano dia nanolotra fitaovam-pidiovana (kits wash) ny CRS, mpiantsehatra amin’ny lafiny sosialy ao Morombe. Ankoatra ireo voalaza eo ambony ireo dia trano fonenana 762 simba tanteraka. Tokantrano maro no tsy manan-kialofana, matory eny an-dalambe tao anatin’ny 10 andro taorian’ny orambe. Noho izany, asa maika ny fanarenana sy fanorenana trano fonenana tra-pahavoazana. Torak’izay ihany koa ny fanarenana ny asa fambolen’ny mponina amin’ny alalan’ny fanomezana tohana iaingan’izy ireo indray.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *