Socio-eco

SIF: Manan-jo hahazo taratasin-tany ny fokonolona


Mampiantrano ny fikaonan-doham-paritry ny mpisehatra amin’ny fananantany ho fiarovana ny zo fananantany ho an’ny fokonolona eto Afrika ny firenena malagasy. Nanomboka ny 21 mey 2019 ary hifarana rahampitso 23 mey 2019 eny Anosy ity atrikasa hihaonan’ireo mpisehatra misahana  fananantany avy amin’ireo firenena afrikana 14. Hiara-hikaon-doha ny fomba hiarovana ny zo fananantany ho an’ny fokonolona na ny vondron’olona ifotony sy ny vehivavy ireo mpandray anjara toy ny mpitondra fanjakana, tomponandraikitry ny fananantany, fiarahamonim-pirenena, mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, mpamatsy vola. Ho jerena amin’izany ny olana, ny paik’ady hamahana izany na amin’ny lafiny lalàna na ny lafiny politika ary ny tombontsoa momba ny zo fananantany ho an’ny fokonolona. Hizara ny traikefany ireo mpandray anjara amin’ny atrikasa efa mampiroborobo ny zo fananantany ho an’ny fokonolona. Hampahafantatra ny dingana efa vitany, taorian’ny fikaonan-doha andiany voalohany, natao tany Accra, Ghana ny taona 2017 ihany koa ireo mpandray anjara.

Raha ny fantatra dia efa misy firenena afrikana manome taratasin-tany ho an’ny fokonolona, tahaka an’i Côte d’Ivoire. Ho an’i Madagasikara, mbola sarotra ny hisitrahan’ny fokonolona ny zony amin’ny lafiny fananantany satria tsy mijoro ara-panjakana ny rafitra fokonolona. Noho izany dia tsy afaka manome taratasin-tany ho azy ireo ny fanjakana. Eto amintsika anefa betsaka ireo tany tantanin’ny fokonolona toy ny faritra hifampivelomana, ny kijàna, ireo foto-drafitr’asa iraisana (kianja fanaovana fanatanjahantena), ny fitantanana ny harena voajanahary azo havaozina, araka ny fanazavan’ny mpandrindra nasionaly ny SIF (Sehatra Iombonan’ny fananantany), Raparison Eric. Nambarany fa manana ny lanjany raha tsy hilaza afa-tsy ny fiarovana ny tontolo iainana, ny kolotsaina, ny ara-panahy, ny fitsinjaram-pahefana ny tany tantanin’ny fokonolona. Ny politika fanaovazana ny fananantany amin’izao aza mbola tsy ampiharina fa mbola miandry famatsiam-bola ka rahoviana izany ny fokonolona eto Madagasikara no hisitraka ny zo fananantany ?

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *