« Raha mandinika tsara ianareo rehefa misy krizy dia mirongatra be ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena. Hitantsika ireny 2009 ireny: ny bois de rose no tena nalazabe tamin’izany », hoy Randriamanampisoa Hasina, avy ao FANONGA FOKONOLONA. Miantso sy manentana ny andrimasom-pokonolona sy ny manam-pahefana mba hanaramaso ny harem-pirenena sy soa iombonana ny TAFO MIHAAVO sy ny FANONGA FOKONOLONA.
“Manameloka ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena sy ny fananana iombonana indrindra amin’izao vanim-potoana sarotra diavin’ny firenena izao izahay”, araka ny fanambaran’ ireto tambazotra ivondron’ireo vondron’olona ifotony miaro ny harena voanjanahary, ny karajavamananaina sy kolontsaina manerana ny faritra 23.
Nilaza i Randriamanampisoa Hasina fa « Misy mpanararaotra. Ny ratsy manararaotra amin’ilay hoe tsy marin-toerana ny manam-pahefana, manararaotra manondrana antsokosoko ». Nambarany fa mila mailo sy miray hina na ny an-drenivohitra na ambanivohitra manaramaso izany.
Rafitra miainga eny ifotony
Fotokevitra voizin’ny TAFO MIHAAVO sy FANONGA FONOKONOLONA efa hatramin’ny 2012 ny rafitra miainga avy eny ifotony. Nanamafy izy ireo fa ny fokonolona no tokony hitantanana ny faritra ifampivelomana satria anatin’ireny ny harena voanjanahary ireny . « Ny fokonolona no mahafantatra ahoana ny iarovana ireny mba tsy ho fananana ho an’olon-tokana na olombitsy fotsiny ».
Manamafy sy mitaky ny fametrahana ny rafitra manome hasina ny fokonolona toy ny efa nisy hatramin’izay teo amin’ny fiarahamonina Malagasy izy ireo.
“Mino sy mahatoky izahay fa hitondra antsika any amin’ny fampandrosoana lovainjafy izany rafitra izany, miainga avy amin’ny harena voanjanahary miavosa ananantsika na an-tanety na an-dranomasina na an-kibon’ny tany”, hoy hatrany ny TAFO MIHAAVO sy FANONGA FOKONOLONA.
Miainga amin’ny fanapahankevitry ny fokonolona evy eny ifotony noho izany ny rafitra tokony apetraka. Fidiana ohatra ny fokontany fa tsy tendrena.
Ra-Nirina



