Hetsika voalohany ho an’ny taona 2018 ny « grande braderie de Madagascar » eny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Continuer la lecture
Catégorie Socio-eco
ONIVERSITE HPI/UPA-MASCA: Manakaiky ny zanakin’ny tantsaha
Talohany niforonan’ny oniversite HPI/UPA-MASCA efa nisy ny sekoly ambaratonga voalohany, faharoa sy fahatelo ny HPI Masca Sabotsy Namehana. Continuer la lecture
SOLOMBAVAMBAHOAKA « VIETNAMIEN »: Ampiharina eto Madagasikara ny famokarana vary avo lenta
Nifampidinika tamin’ireo solontenan’ny solombavambahoaka an’i Madagasikara momba ny fampandrosoana ny firenena ny delegasiona notarihin’ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Phung Quoc Hien avy any « Vietnam ». Continuer la lecture
TAHIRIM-BOLAM-PIRENENA: “Marin-toerana ny toe-karena Malagasy”
Nanao fanadihadiana momba ny firosoan’ny fandaharan’asa ara-toekaren’i Madagasikara tohanan’ny FEC ny sampandraharahan’ny tahirim-bolam-pirenena (FMI). 15 andro ny irakin’ny FMI izay notarihin’i Marshall Mills no nanao ny asa teto Madagasikara. Continuer la lecture
FANAOVANA FACEBOOK: Mampiakatra tosi-dra
Raha ny antitra manodidina ny 50 taona no miakatra no tena tratran’ny fiakaran’ny tosi-dra, efa mpahazo ny tanora ihany koa izany ankehitriny. Continuer la lecture
« MAISON DIGITALE » FIANARANTSOA : Vehivavy maro hahazo tombontsoa
Novatsian’ny fikambanana « orange Solidarité » fitaovana nomerika ahitana « tablettes » 10, « serveur Raspberry » iray, « imprimante » iray, « vidéo projecteur » iray, « clés USB » ary « ordinateurs portables » dimy ny « maison Digitale pour les Femmes » ao Isaha Fianarantsoa. Continuer la lecture
FAMPANDROSOANA: Kaominina 992 nozaraina vola ampahibemaso
Kaominina 992 eto Madagasikara nahazo famatsiam-bola avy any amin’ny banky iraisam-pirenena. Samy nahazo vola mitentina 15 tapitrisa Ariary avy ireo kaominina ireo. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa PAPSP na Paik’Ady am-Pivoarana ny Sehatr’Asam-Panjakana izy ity. Continuer la lecture
MPANAO KUNG-FU WISA BONGOLAVA: Nanambatra ny heriny
Nanao filaharam-be namakivaky ny tanànan’i Tsiroanomandidy ny solontenan’ny mpanao Kung-Fu ao amin’ny faritra Bongolava. 4000 ny mpandray anjara tamin’ny filaharam-be. Continuer la lecture
ONIVERSITE ACEEM: “Izay mahay ihany no afaka”
Mpianatry ny oniversite ACEEM Manakambahiny miisa 320 navoaka tamin’ny fomba ofisialy. Nisalotra ny anarana “Miatrika” ireto andiany ireto.
Anterivava : William RATREMA
Araka ny fanazavan’ny tale mpanorina ny vondrom-panabeazana ACEEM, William Ratrema nandritra ny lanonana famoahana azy ireo ny zoma 23 martsa 2018, teny amin’ny CCI Ivato, fa manahirana ny fiainana ka entina hitaizana ireto mpianatra ireto ho vonona hiatrika ny fahasarotan’ny fiainana no antony nisafidianana ny anaran’ny andiany. Andiany faha-8 ireo mpianatra nahazo ny mari-pahaizana Licence ary faha-4 kosa ireo mpianatra nahazo ny diplaoma Master. Nohamafisin’i William Ratrema fa miezaka mamolavola tanora tena manam-pahalalana ny oniversite. Matoa omena mari-pahaizana dia tena ny fahaizany no antony hanomezana azy. Tsy misy izany mari-pahaizana omena maimaim-poana izany fa izay mahay no afaka”, hoy i William Ratrema.
Fiarahamiasa any ivelany
Efa be dia be ireo mpianatry ny oniversite ACEEM no nanohy ny fianarany any ivelany. Miara-miasa amin’ny oniversite IESEG any Lille ny ACEEM. “Mampalahelo anefa indraindray fa tsy miverina eto an-tanindrazana intsony ireo mpianatra. Sekoly manan-danja ny IESEG ka hifandrombahan’ny orinasa any ivelany ny mpianatra mivoaka ao. Raha ny tokony ho izy anefa dia tokony hiverina eto an-toerana hanasoa ny firenena ireo mpianatra”, hoy ny filoha mpanorina ny vondrom-panabeazana ACEEM. Ankoatra izany, miara-miasa amin’ny orinasa avy eto an-toerana ihany koa ny oniversite ho fanamorana ny fampidirana ireo mpianatra amin’ny sehatry ny asa.
Nirina R.
RECEF: Ilaina ny vehivavy amin’ny fifidianana
Mampanjaka ny demokrasia ny fampandraisana anjara ny vehivavy sy ny vitsy an’isa amin’ny fifidianana. Amin’ny maha mpikambana an’i Madagasikara ao anatin’ny firenena mampiasa na amin’ny manontolo ny teny frantsay, nosafidian’ny RECEF (réseau des compétences électorales francophones) Continuer la lecture





















