Socio-eco

RECEF: Ilaina ny vehivavy amin’ny fifidianana


Mampanjaka ny demokrasia ny fampandraisana anjara ny vehivavy sy ny vitsy an’isa amin’ny fifidianana. Amin’ny maha mpikambana an’i Madagasikara ao anatin’ny firenena mampiasa na amin’ny manontolo ny teny frantsay, nosafidian’ny RECEF (réseau des compétences électorales francophones) nandray ny seminera iraisam-pirenena momba ny fifanankalozan-kevitra amin’ny lafiny fifidianana, andiany faha-enina. Ny 20 sy ny 21 martsa tao amin’ny Colbert Antaninarenina no nanatanterahina ny fivoriana. Ny fampiatiana ny vehivavy sy ny vitsy an’isa handray anjara mavitrika amin’ny fifidianana ny lohahevitra tamin’ity andiany ity.

Niara-nikarakara ny seminera tamin’ny RECEF ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) sy ny vondron’ny firenena mampiasa na amin’ny manontolo ny teny frantsay (OIF). Noresahana nandritra ny roa andro ny fitovian’ny vehivavy sy ny lehilahy amin’ny fifidianana. Eo ihany koa ny famongorana ny fanavakavahana atao amin’ny vehivavy mpanao politika, kandida vehivavy amin’ny fifidianana, ny vehivavy mpifidy…Miantso ny ratsa-mangaika  misahana ny fifidianana, ny firaisamonim-pirenena hampiatra ny  kolontsain’ny fifidianana  sy ny politika nasionaly momba ny fampiatiana ny vehivavy amin’ireo dingana rehetra lalovana momba ny fifidianana ny RECEF.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *