Socio-eco

FAMPANDROSOANA: Kaominina 992 nozaraina vola ampahibemaso


Kaominina 992 eto Madagasikara nahazo famatsiam-bola avy any amin’ny banky iraisam-pirenena. Samy nahazo vola mitentina 15 tapitrisa Ariary avy ireo kaominina ireo. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa PAPSP na Paik’Ady am-Pivoarana ny Sehatr’Asam-Panjakana izy ity. Noho izany, hanampy ny kaominina amin’ny fanamboarana foto-drafitr’asa mipaka any vahoaka toy ny fanamboarana tsena, fametrahana paompin-drano, fanatsarana ny biraon’ny kaominina io famatsiam-bola io. Notolorana tamin’ny fomba ofisialy nandritra ny famoahana ny tetikasa PAPSP teny amin’ny CCI Ivato ny 26 martsa 2018 izany fanampiana izany. Nanatrika ny lanonana ny Filoham-pirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA. Nambarany fa entina hanatsarana ny fampandrosoana ny kaominina io vola io.

Nanaraka fepetra

Ny fanarahana ny fepetra napetraky ny tetikasa toy ny fitantanana mangarahara no nisafidianana ireo kaominina mpahazo tombontsoa. Kaominina 1050 no nametraka ny antontan-taratasiny ka ny 992 tamin’ireo no nahafeno ny fepetra. Nanamafy ny solontenan’ny banky iraisam-pirenena fa volam-bahoaka izy ity ka tsy maintsy misy ny fanaraha-maso atao momba ny fitantanana. Afaka miantso ny laharana maitso “Allo, volamahitsy” (033 44 800 20) ihany koa ny vahoaka raha toa ka mahita fitantanana tsy ara-dalana ny famatsiam-bola na tsy mahita foto-drafitr’asa mitsangana kanefa nahazo ny famatsiam-bola ny kaominina ao aminy.

Tamberinandraikitra

Ankoatra ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny tetikasa PAPSP, nambara ampahibemaso ihany koa ny fisian’ny “fond national de péréquation” na ny famatsiana vola ny kaominina amin’ny alalan’ny vola azo avy amin’ny hetra, haba, ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany … Nanombohana ny tetikasa ny fizarana “moto” miisa 111 ho an’ireo lehiben’ny boriborin-tany ao amin’ny faritra Analamanga, Bongolava, Itasy ary Vakinankaratra.
Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *