Socio-eco

MPANAO KUNG-FU WISA BONGOLAVA: Nanambatra ny heriny


Nanao filaharam-be namakivaky ny tanànan’i Tsiroanomandidy ny solontenan’ny mpanao Kung-Fu ao amin’ny faritra Bongolava. 4000 ny mpandray anjara tamin’ny filaharam-be. Fanombohana ny fankalazana ny faha-38 taona nidiran’ny kung-fu teto Madagasikara ity hetsika ity. Raha natao ny fanisana, 12.000 ny fitambaran’ny mpanao kung-fu ao amin’ny faritra Bongolava miampy ny mpikatroka any Fenoarivobe, Ambalanirana, Tsiroanomandidy…Manoloana izany, nanamafy izy ireo fa manohana hatrany ny Filoham-pirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA ary mbola mangataka ny hirotsahany indray amin’ny fifidianana 2018. “Vonona hanome ny herinay manontolo amin’ny fanohanana ny filoham-pirenena ankehitriny izahay kung-fu amin’ny faritra Bongolava raha toa ka hirotsaka izy”.
Tonga nanotrona ny hetsika natao tao Tsiroanomandidy ireo manam-pahefana tao an-toerana toy ny solombavambahoaka, ny ben’ny tanàna ary ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena. Nitarika ny hazakazaka manodidina ny tanàna ny “Grand Maitre” Avoko. Nampatsiahivina nandritra ny hetsika ny fomba nampidiran’i “Grand Maitre” Pierre-Be ny kung-fu teto Madagasikara tamin’ny taona 1980. Hitohy hatrany ny fitetezam-paritra ataon’ny Kung-fu Wisa ho fanamarihana ny fankalazana ny faha-38 taonany ka any amin’ny tampon-tanàna an’Antsirabe indray ny fotoana amin’ny 07 aprily 2018.
Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *