Catégorie Socio-eco



Fiangonana Protestanta Malagasy Andafy : Nandalo Pasitera Ravalitera Jean


Nandalo teto Dago ny Prezida Synodaly (PS) Fiangonana Protestanta Malagasy Andafy (FPMA). Fantatry ny besinimaro teto an-tanindrazana sy ny any Eoropa araka ny anarany feno Ravalitera Jean, Mpitandrina. Docteur en Théologie ny lehilahy. Vahiny tsy nampoizina izy ka fifaliana lehibe ho an’ny Sakaizan’ny FPMA no nandray azy niara-nivavaka tetsy amy ny foibe Frenjy Faravohitra. Ny Dr Razafindrakoto Georges, Pastora FLM A         mbatovinaky no nitory ny Didy Vaovao (Jao. 13, 34-35). Continuer la lecture


Lanterne taxi-ville eto Antananarivo : Maimaim-poana sady tsy an-tery no ahazoana izany


Telo tonta no namolavola ny tetikasa ho amin’ny fanatsarana ny fampiasana ny fitaterana an-dRenivohitra eto Antananarivo. Teo ny CUA (Kaominina Antananativo Renivohitra) , ny FTAR (Fikambanan’ireo matihanina amin’ny fanaovana ny Taxi-ville) ary ny  orinasa tsy miankina Publimotion. Efa nanomboka tamin’ny Desambra 2016 no nahatafatambatra ny rehetra tamin’ny hoe mila hazaina sy tsy tokony hahazo sehatra intsony ny mpitandraka ny asa fitaterana amin’ny « fomba maloto ». Continuer la lecture


ASAN-DAHALO: Mihainohaino fotsiny ny fitondram-panjakana.


Mandry tsy lavo loha ny mponina ao amin’ny kaominina Betsipolotra, distrika Miandrivazo. Miharipaky ny daholo ny hany mba sisa fananan’izy ireo. Omby 1400 lasan’ireo dahalo mirongo fitaovam-piadiana 50 isa, ny talata 12 sy alarobia 13 Septambra 2017. Nanara-dia azy ireo ny solon-tenan’ireo tompon’omby izay manodidina ny roapolo ka tamin’izany no nahafantarana fa natoby tao Manandaza, lemaka akaikin’i Itondy, distrika Miandrivazo ireo omby halatra ireo. Continuer la lecture


FILOHA HERY RAJAONARIMAMPIANINA: “Fanitsiana no atao fa tsy fanovana lalam-panorenana”.


Mpanao gazety avy amin’ny haino aman-jery sy gazety ary mpikirakira aterneto avy eto Antananarivo sy avy any amin’ny faritra manodidina zato no niaraka nitafa tamin’ny Filoham-pirenena Malagasy, Hery RAJAONARIMAMPIANINA ny 16 septambra 2017, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Saika voasolo tena avokoa na orinasa an-gazety mpanohana na mpanohitra ny fitondrana nandritra ny fihaonana mivantana tamin’ny Filohan’ny Repoblika ity. Continuer la lecture


ISPM: Mahaliana ny mpianatra ny lalam-piofanana momba ny serasera sy ny fifandraisan-davitra.


Ao anatin’ny fitadiavana ny oniversite mifandraika amin’ny  lalam-piofanana hanohizana ny fianarana ireo mpianatra vao afaka fanadinana bakalorea  farany teo. Betsaka ireo mpianatra no liana amin’ny lalam-piofanana momba ny fifandraisan-davitra sy ny serasera. Anisany lalam-piofanana be mpanontany indrindra teo amin’ny trano heva nisy ny Institut Supérieur de Polytechnique de Madagascar (ISPM) izy ity. Nambaran’ny Talen’ny fitantanana sy ny vola an’ny ISPM,  Aimée RAZAFINDRAHETY fa mirona  kokoa amin’ny fivoaran’ny teknolojia ny mpianatra amin’izao fotoana izao. Continuer la lecture