Mpisehatra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana miasa amin’ny tontolon’ny varotra mahery ny 200 handray anjara amin’ny « forum économique des îles de l’Océan Indien » (FEIOI). Continuer la lecture
Catégorie Socio-eco
Fitrandrahana fasi-mainty: Very fanahy ny mponina
Niakatra teto Antananarivo renivohitra mihitsy ireo solontenan’ny fikambanana mpamboly sy mpiompy ary mpanjono manana olana amin’ny fitrandrahana fasi-mainty ao Fort-Dauphin, ny zoma 20 jolay 2018. 7660 ny isan’ny mpikambana ka avy ao amin’ny kaominina Taolagnaro, Ampasy-Nampohana sy Mandromondromotra izy ireo. « Tsy tanteraka avokoa izay filoha lefitry ny fikambanana. Nambaran’ny mpandrindra nasionaly ny CRAAD-OI mpiaro ny zon’olombelona, Zo Randriamaro fa voafaritra ao anatin’ny lalàna mifehy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara fa mandoa onitra ny orinasa mpitandraka raha misy olona mampiasa ny tany hanaovana fitrandrahana.
Tsy afa-manoatra
Rehefa nisy ny fifampiresahana tamin’ny fikambanan’ny mpamboly sy mpiompy niaraka tamin’ny QMM dia 3000 Ariary isaky ny metatra tsy mivadi-mandry no aloan’ny orinasa mpitrandraka amin’ny tansaha. Nilaza anefa Mahazomanana Alain, solontenan’ny fikambanana fa 500 Ariary isaky ny metatra tsy mivadi-mandry no naloan’ny QMM ary vao indray mandeha monja ny QMM no nandoa io vola io tamin’ny taona 2016. Nidina an-dalam-be nanao fitokonana ireo tantsaha nitaky ny ambiny ny vola ny faran’ny volana mey lasa teo. Olona efatra naman’izy ireo no nosamboran’ny mpitandro ny filaminana. Nahazo sazy miantona heritaona izy ireo ary nasaina nandoa onitra iray tapitrisa Ariary avy. Ny Solombavambahoaka voafidy taoTolagnaro, Jerry Hatrefindrazana aza efa nandefa taratasy tany amin’ny CRAAD-OI fa lany hevitra tanteraka manoloana ny fitrandrahana fasi-mainty. Mitaraina ireto tantsaha ireto amin’ny tsindry hazolena mianjady amin’izy ireo.
Lynda A.
Trano vaovao an’ny CNTEMAD: Namboarina tamin’ny alalan’ny volany manokana
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy androany maraina 19 jolay 2018 ny trano vaovao an’ny ivon-toeram-pampianarana fampitain-davitra CNTEMAD. Continuer la lecture
« International Champions Cup »: Hahita ny lalao rehetra i Madagasikara
Lasa ny mamba misosoka ny voay. Tao aorian’ny nahavitan’ny fiadiana ny amboara eran-tany eo amin’ny lalao baolina kitra tonga indray ny « International Champions Cup » (ICC). Continuer la lecture
Didim-poitra : Ireo toromarika tokony arahina
Mampitarazoka ny fery amin’ny zaza vao avy natao didim-poitra ny tsy fanajàna ny fahadiovana. Raha ny fomban-drazana Malagasy dia tondrahina “ranomahery” ny filahian’ilay zaza rehefa avy noesorina ilay hoditra manarona ny filahiany (tsitsy). Continuer la lecture
« Ambatovy Local Business Initiative » : Manampy ny orinasa madinika sy salantsalany
Niteraka famoronan’asa hafa ankoatra ny fitrandrahana « Nickel sy Cobalt » ny orinasa ao Ambatovy. Tsy manao asa afa-tsy ny fitrandrahana ireo harena an-kibon’ny tany roa ireo ny orinasa kanefa misy ny filàna isan-karazany ilainy amin’ny fanodinana ny orinasa . Continuer la lecture
« Centre Culturel et Social » Mampiofana arak’asa ireo tanora sahirana
Zava-dehibe ho an’ny toeram-panofanana arak’asa « Centre Culturel et Social » ( CCS ) ao Anjoma, Toamasina ny fampianarana ny mpianatra amin’ny fiarovana tsy ho azon’ny loza eo am-panatanterahana ny asa ataony rehefa vita ny fiofanana. Continuer la lecture
« Carrefour de la formation, des métiers et de l’emploi » : Homena sehatra manokana ireo mitady asa
Fotoan-dehibe ho an’ny tanora Malagasy mitady asa ny hetsika « carrefour de la formation, des métiers et de l’emploi ». Ny Alliance Française Andavamamba (AFT) no mikarakara ny hetsika. Ny 27 sy ny 28 jolay 2018 ao amin’ny AFT no hanatanterahana ny andiany faharoa. Continuer la lecture
FAPBM: Voasoroka ny fanimbana ny faritra arovana
Vola mitentina 7,5 miliara Ariary nanampiana ireo mponina miankin-doha amin’ireo faritra arovana eto Madagasikara. Dingana voalohany hiarovana ny vala-java-boahary ny fanampiana ireo mponina mivelona amin’ny zava-boahary ao anatiny. Continuer la lecture
S’PSS: Vahaolana ho an’ny fandriampahalemana
Ahitana orinasa matihanina amin’ny fiarovana ny ain’olona sy ny fananany eny amin’ny « salon des produits et solutions de sécurité » (S’PSS). Mivondrona ao anatin’ny trano heva telopolo izy ireo. Nanomboka androany 13 jolay 2018 ny hetsika ary hifarana rahampitso 14 jolay 2018 izany. Continuer la lecture